27 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)

Ny Evanjely mitantara ny famaranan’i Jesoa ny Evanjeliny. Mpiantra malala izay mitoetra eo an-tratran’ny mpampianatra, tahaka an’i Jesoa mitoetra eo an-tratran’ny Ray (Jn 1, 18). Ka afaka mitantara amin’ny hafa ny tsiambaratelon’ny mpampiantra, afaka mijoro ho vavolombelona manambara sy manoratra ny evanjeliny.

Ny fitiavana no ahafahan’i Simona, izay lasa Piera, nandresy ny henatra sy ny tahotra ka hatoky, tsy hangataka ho an’ny tena fotsiny ihany fa hangataka ho an’ny hafa ihany koa. Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra dia manahirana ihany ny fizarana andraikitra nataon’i Jesoa. Nahoana moa no nomena ilay nandà azy in-telo ny fiandraiketana ny Fiangonany? Dia inona indray izany no ho an’ilay mpianatra malalan’i Jesoa? Tsy misy mpianatra tsy malalan’i Jesoa, saingy miankina amin’ny tsirairay ny famaliam-pitiavana.

Tsy ny hifaninana hahazo valisoa no tokony himasoan’ny mpianatra, fa ny hanara-dia an’i Jesoa. I Piera raha ny marina dia saika tonga ao aorian’ny mpianatra hafa manadrakariva. I André rahalahiny no nahita an’i Jesoa voalohany ka nitondra azy hihaona aminy. Ilay mpianatra malala no irery teo am-pototry ny Hazofijaliana. Izy no tonga mialoha tany amin’ny fasana, ary mbola izy koa no nahalala fa ny Tompo no nanome baiko amin’ny handatsahana ny harato ao ankavanan’ny sambokely.

Tsy fifaninana amin’izay ahavita be noho ny hafa no tokony himasoan’ny mpianatra. Tsy ny andraikitra na ny voninahitra ho azo amin’izay sehatra hikatrohana no inona, fa ny fiezahana hanahaka an’i Jesoa isan’andro. Ny itovizantsika endrika aminy manko no tena fanarahan-dia azy marina tokoa. Ambaran’ny mpandinika ny Soratra Masina sasany ihany koa anefa, fa tsy hoe notenitenenina fotsiny ny hoe tiana hitoetra. Misy mpiantra lehibe noho i Piera ve? Nadika ho miraviravy ny tanany amin’ny martiry hanara-dia an’i Jesoa, ao ireo mpiantra malala miaina am-pilaminana ny maha mpiantra azy. Samy fanarahan-dia an’i Jesoa avokoa izany. Ny ao amin’ny Marka toko faha-9, ny momba ny sasany tsy ahita fahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Ho an’izay mitoetra eto dia tsy hoe tsy ho faty fa hitoetra amin’ny fijoroana ho vavolombelona, hitoetra amin’ny Evanjely izay nosoratana ka ho tonga andry hijoroan’ny Eglizy mandram-piverin’i Jesoa. Maro ny zavatra hafa nataon’i Jesoa izay tsy voasoratra, fa ireo no voasoratra mba hionoan’ny zanany rehetra.

Jesoa dia tsy mitsahatra miasa ao amin’ny Fiangonana, vatana iray atambatry ny Fanahy ho tena iray amin’izy Filoha tokana. Hafa ny fiainam-pamonjena atoron’ny Evanjely manoloana ny fahaverezana sy ny fahafatesana.

Ny Fanahy Masina anie hanampy antsika mba hifanaraka amin’ny fankalazana ny Paka ny fitondran-tena sy ny fiainantsika. Fa ny fankalazana ny Paka dia fandresena mitaky fandavan-tena sy fahafoizana lavorary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...