9 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Miditra amin’ny herinandro faha-14 ny Eglizy anio. Vavaka fisaorana an’Andriamanitra Rainy no nataon’i Jesoa eto na dia mizara roa ary ireo olona teo am-pandraisana ny hafany. Ao ireo olona izay miavonavona sy miseho mahalala ny zavatra rehetra ka tsy misy tafita ny hafatra izay ambarany, nefa dia ao koa ireo olona tso-po izay naharay tsara ny hafany. Ny fahatsoram-po àry no lalana tian’i Jesoa harahintsika mba hananantsika fahatokisana sy fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra. Ny olona tso-po mantsy dia toy ny zaza manana fahadiovam-po, izay tsy manana hianteherana ankoatra ny ray aman dreniny, izay tsy iza fa Andriamanitra. Sarotra tokoa ankehitriny no manana an’izay toetra izay satria dia mitaky fanetren-tena izany.

Manoloana izany àry, dia tsy mitsahatra miantso antsika i Jesoa mba hanara-dia Azy amin’izao fiainana miha sarotra izao, ka maro no hianjadian’ny fahoriana sy ny fijaliana. Izy ihany mantsy no afaka hanamaivana an’izany. “Ento ny jiogako”: ny mitondra ny jiogany mantsy dia midika fa manaraka izay alehany sy manafaka an’izay mangeja antsika. Tsy tiany ho eo ambanin’ny lalàna, izay tsy mampisokatra ny fanahintsika toy ny nahazo ireo Jody tamin’izany, isika fa tiany kosa hanaraka ny lalam-pitiavana izay nosoritany dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Ny jiogany dia entina ao anatin’ny fitiavana sy ny halemem-panahy.
Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po: ataovy manahaka ny fonao ny fonay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...