12 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)

Nifidy roa ambin’ny folo lahy i Jesoa mba hiaraka Aminy sy hanara-dia Azy akaikikaiky kokoa. Izay tiany no antsoiny sy fidiny. Ary ny antso dia tsy miaraka fa manokana, izay no nahatonga azy eto nantsoiny tamin’ny anarany tsirairay avy. Noho izany, tsy an-tery ny fanarahan-dia an'i Jesoa ho azy roa ambin’ny folo lahy fa an-kahalalahana ny famaliana an’izany am-pitiavana. Samy manana ny toetra sy ny maha izy azy ny tsirairay nefa dia nampiombonin'i Jesoa tamin’ny fanarahan-dia Azy. Hita tokoa àry eto fa tsy misy ny fiombonana raha tsy misy ny fahasamihafana izay azo lazaina fa harena ato amin’ny Eglizy.

Ny antson’Andriamanitra ho azy ireo àry dia fanomezana avy any Aminy ihany ary mitaky asa. Mitohy hatrany izany antso izany ao amin’ny Eglizy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny fandrarahana Masina sy ny fiainan-dRelijiozy. Antsoina izy ireo mba hiaina hiaraka amin'i Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy hitory ny Tenin’Andriamanitra araka ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy, ary hitondra fanasitranana ho an’ny olona. Eto dia nirahin'i Jesoa ireo roa ambin’ny folo lahy nofdiny ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely izay tsy mety manaiky azy ho Mesia sy ho Mpamonjy.

Olombelona tokoa àry araka izany no nofidin'i Jesoa mba hanohy ny asany; olombelona manana ny heriny sy ny fahalemeny. Nefa ny fahasoavan’Andriamanitra dia manenika ny fiainan’izy ireo mandrakariva mba hamaliany ny antso miantefa aminy.

Tompo ô, omeo herim-po hatrany izahay mba hanohizana ny asam-pamonjena efa natombokao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...