30 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona,
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Hoy izy ireo taminy hoe:

“Eny”.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay naharay tsara ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny”.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...