6 aogositra 2023 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Taona A — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Tsy azo sarahina ny fitantarana ny fiekem-pinoan'i Piera izay voafidy ho vato hanorenana ny Fiangonana (Mt 16, 13-19), sy ny fiovan’ny Tompo tarehy (Mt 17, 1-9), izay lazain'i Matio fa niseho afaka henemana tao aorian’izay.

Ny havaloan’andro lazain'i Lioka dia manampy antsika hahazo ny pantekôty fetin’ny lalàna vaovao, fomban’ny Jody miavaka havaloan’andro mba hanomana ny fo handray ny lalàna sy hivelona amin’ny fianana azy. Ny takela-baton’ny lalàna anefa tsy mahavoky ho an’izay mbola fatra-pitady ny mofo. Misy ny mivavaka kanefa toa mahatsapa fa vao mainka toa miha ratsy ny fandehan-javatra, satria tsy miandry ny fivoarana araka an’Andriamanitra fa araka izay nirìn’ny fony. Ny fandinihana ny fiovan’ny Tompo tarehy no manampy antsika hahazo fa lalàna vaovao no mitondra antsika amin’ny trano lay vaovao homen’Andriamanitra.

Tsy ny mofo ihany no mahavelona fa ny teny rehetra entin’Andriamanitra mihary sy mitahy ny aina. Raisina ka hiainan’izay mandà ny tenany sy manaiky ny ho mpanompo tahaka an’Andriamanitra. Raha te handalina izany fifandraisana izany dia azontsika vakiana ny boky nosoratan'i Benoît faha-16, Jesoan'i Nazareta ny toko faha-9, izay hitantarany ny fiekempinoan'i Piera sy ny fiovan’ny Tompo tarehy, ao no hanovozany ny fifandraisan’ny fiovan-tarehy sy ny Eksaody faha-24, izay nihaonan'i Môizy tamin'i YAVEH tany an-tendrombohitra mbamin’ireo fety Jody hafa. Ho an’ny Papa Benoît faha-16, ny fiovana tarehy dia manambara amintsika ny tsiambaratelon’ny vavaka.

Ho an’izay manana andraikitra manokana amin’ny fitantanana ny ondrin'i Kristy, Raiamandreny, mpanabe, zoky, pretra, filoha… dia manan-danja manokana ny vavaka izay hifotoran’ny fiarahan-dia amin'i Kristy, ity no zanako malalako, henoy izy. Voaantso hiaino ka hiaina ny fiainam-baovao ao amin'i Kristy isika. Mialoha ny hitoriana izany amin’ny hafa dia manana adidy hibanjina ny endrik’Andriamanitra. Izay efa nahita marina ny endrik'i Kristy no afaka maneho azy amin’ny hafa. I Môizy sy i Elia dia efa nisantatra ny karemy izay 40 andro sy 40 alina tany an-tendrombohitra tao anatin’ny rahona; mba hihaona amin’ny Tompo. I Môizy moa niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'i Aarona sy ny zanany roalahy ary nijanona 40 andro sy 40 alina tany an-tendrombohitra tao anatin’ny rahona mba hiaona amin’ny Tompo. Ary i Kristy nivavaka 40 andro sy 40 alina tany an’efitra mialohan’ny niantsoany ny mpianany (Mt 4).

Tsy azo hadinoina ihany koa fa ny fety anio dia 40 andro hiomanana amin’ny fanadratana ny Hazofijalina Masina, ny 14 septambra. I Moizy sy i Elia dia taratry ny voninahitr’Andriamanitra, satria izy ireo no vavolombelona mahita ny voninahitr’Andriamanitra nonina tao Sinaia, ny tranolay fihaonana dia ahatsiarovan’ny Jody io fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra nandrakotra ny tendrombohitra nadritra ny henemana io, ka ny andro faha-7 afaka henemana Andriamanitra niteny tamin'i Môizy, saingy i Môizy ihany avy eo no naminany ka niteny tamin’ny zanak’i Israely hoe hanagana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanareo eo amin’ny rahalahinao ny Tompo Andriamanitrao, hohenoinao izy (Det 18, 15).

Ny lalàna voasoratra eo amin’ny takela-bato no vavolombelon’ny fiarahan’ny Tompo tamin’ny vahoakany, izay no tranolay voalohany. Ny mpaminany dia tsy nanao afa-tsy ny mampahatsiaro ny vahoaka mba tsy hanao fo vato ka hiverina amin’ny lalàn’ny Tompo, izay no tranolay faha-2. Ny teny tonga nofo kosa no ilay zanak’Andriamanitra anaram-boninahitra homena ny zanaky ny Mpanjaka mandray ny fiketrahan’ny mpanjaka ka asandratra ho Mesia, hiaro sy hitady izay hahasambatra ny vahoaka, Mesia araka ny sitrak’Andriamanitra anefa hanetry tena sy hahalefitra fa tsy araka ny fiheveran’ny olona. Izy no ilay nolazain'i Môizy ary nolazain’ny Ray fa hohenointsika, ny fihainoana azy no zary tranolay hahatonga antsika ho fonen’Andriamanitra (Jo 14, 23). Izy no Emanoela, Tranolay mandrakizay, maneho fa miara-monina amin’ny vahoakany Andriamanitra. Ary tsy ny fanangonana ny traikefam-piainana nolalovantsika ny firosoana amin’ny maha kristianina, izay mahita ny voahangy tsara dia tsy maintsy mahafoy izay rehetra nangoniny hatramin’izay mba hitady azy (Mt 13, 45…). I Moizy sy i Elia dia manamboatra ny lalana mitondra amin’ny fiainana ihany, jiro manazava anatin’ny haizim-pito vokatry ny hamafin’ny fon’olombelona, fa rehefa tonga ilay masoandro be lohataona dia tsy ho hitan’ny maso intsony izy ireo. I Jesoa irery sisa, mampalahelo raha mbola mifangaro amin’ny fanompoana zava-kafa ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Evanjely. Noho ny finoana an'i Jesoa Kristy, izay tena tafahaona tamin’ny Tompo dia hamirapiratra ny tarehiny. Niresaka ny fiakarana an’i Jerosalema tamin'i Môizy sy i Elia i Jesoa hoy i Masindahy Lioka. I Piera kosa nandray ny fitenenana niantso an'i Jesoa ho “rabi”, i Marka mpampianatra, i Lioka Tompo ary i Matio mba ahafahana mitoetra any an-tendrombohitra.

Nanolotra ny fiainany ho antsika Andriamanitra. Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika tamin’ny Batemy noraisintsika ary azo hararaotina tsara amin’izay ny fankalazana anio. Ambaran'i Kristy fa ilay voninahitr’Andriamanitra hitan'i Israely amin’ny fahazavan’ny tava sy ny fitafiana dia misy heviny noho ny porofom-pitiavana nasehony teo amin’ny Hazofijaliana. Ny voninahitra lehibe indrindra hoy i Masindahy Piera dia ny maheno an’Andriamanitra miteny hoe ity no zanako malalako… henoy izy. Ao aminy no ahafahantsika mitandrina ilay akanjo fotsy porofon’ny nampakarany antsika ho vadiny amin’ny sakramenta (Batemy, Eokaristia, sns)

Haneho ny maha Mpanjaka antsika amin’ny fampanjakana ny fitiavana, hiaina ny maha mpaminany amin’ny fijoroana ho vavolombelona na ho hazofijaliana aza no hiafarana, ary hivelona ny maha mpisorona amin’ny fiainam-bavaka. Izay tsy miaraka amin'i Kristy mivavaka teny an-tendrombohitra dia tsy afaka handroaka fanahy maloto. Mivavaha mba hampiova ny toetrantsika hitovy endrika amin’ny an'i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...