8 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)

Ny voly rehetra tsy hambolen’ny Raiko dia hongotana. Manotany an'i Jesoa ny Farisianina sy Mpanora-dalàna satria tsy manaja ny lovan-tsofina: Tsy manasa tànana alohan’ny hihinanan-kanina. Ny valintenin'i Jesoa : Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny lovan-tsofinareo. Zavatra roa no asian’ny fombafomba Jody tsindrim-peo mahakasika ny sakafo dia ny fanasana tànana ary ny fifadiana ny sakafo maloto.

Tsy milaza ny maha ratsy izany fomba izany ny Evanjely. Antsoin'i Jesoa ny vahoaka mba hihaino ary hahafantatra fa tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona fa izay mivoaka avy ao am-po.Tsy natao hitsarana ny hafa fa natao hitiavana bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny zava-boariny ny lalàna nomeny. Ka izay hazo tsy mamoa amin’ny fiainana, tsy mitondra ny vokatry ny Fanahy dia tsy maintsy hongotana amam-pakany. Asain'i Jesoa avelan’ireo mpianany ny Mpanora-dalàna ho jamba. Mampalahelo izy ireo fa jamban’ny fitiavan-tena, ny faniriam-boninahitra ka sady tsy miditra amin’ny fanjakan’ny Lanitra no manakana ny hafa tsy hiditra.(Mt 23, 13-32)

Ho haintsika anie ny hampiasa ny lalàn’Andriamanitra hitiavana bebe kokoa fa tsy sanatria hiheverana ny tena ho ambony kokoa noho ny hafa ka hanebahana na hanaratsiana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...