16 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Ry havana; momba ny fifanitsiana ny Evanjely anio. Raha misy diso taminao dia manatòna azy ianao. Hentitra i Jesoa; mila fandavan-tena satria tsy ilay diso no manatona fa ilay nanaovana hadisoana. Faharoa manaraka izany dia tsy alana baraka izy fa tenenina mangina. Fahatelo dia miala nenina mampibebaka azy fa tsy maika hanilika sy hanameloka.

Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny fa izay tratra manao hadisoana dia alana baraka amin’ny fitaovam-pifandraisana, anaovana fitsaram-bahoaka, amatrarana izay hadisoana rehetra sy anaovana fitsaran’ny mpandresy. Tsy misy misaina izay hangoraka sy hamela heloka, fa valifaty avy hatrany no arangaranga. Tsy soatoavina malagasy izany; isika izay fatra-pandala fihavanana. Mifanohitra tanteraka amin’ny Evanjely izany, i Jesoa mampianatra ho tia hatramin’ny fahavalo.

Ilaina ny mifampiteny sy mifanavotra satria sampy mpanota, samy mety hanao hadisoana, samy mila famelan-keloka sy famindram-po. Aoka tsy hisy hanavato fo satria tsy misy mendrika fa samy mila famonjena daholo e. Tiavina hatramin’ny fahavalo no didy nomen’i Jesoa antsika. Izany rahateo ny vavaka ataontsika isan’andro hoe “Ray ô, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay”. Mahaiza mamela; meteza hamonjy fa izany no sitra-pon’ Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...