Alatsinainy 02 desambra 2019 - Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11.
Ny Tompo no Mpanjakantsika, Izy no hamonjy antsika.

0 : 00

Mirakitra ny fanasitranan'i Jesoa ilay zazalahy marary sady malemy, zanaky ny kapiteny iray ny Vaovao Mahafaly androany. Ny finoana tokoa no mahavonjy. Izany hoe: ny finoana ihany no fototry ny fahasoavana rehetra ilain'ny fanahy amam-batana. Voalaza teo tena nampitolagaga an'i Jesoa mihitsy ny finoan'ity kapiteny iray ity. Izay marary tokoa andrianina.

Ao amin'ny fiainantsika ao an-tokantrano ao, raha vao misy marary ny zanaka, tahaka ny inona tokoa ny fikoropahan'ny ray aman-dreny. Atao daholo izao fomba rehetra izao mba hahasalama haingana ilay menaky ny aina:

  • na inona na inona mety ho herintsika;
  • na inona na inona mety ho fahefantsika;
  • na ohatrinona na ohatrinona mety ho vola lanintsika;
  • na ahoana na ahoana mety ho fari-pananantsika;

dia tsy misy afa-tsy i Jesoa irery ihany no kitro ifaharana amin'ny fahasalamana. Izy no ampinga farany satria an'Andriamanitra ny aina. Ary i Jesoa no tena mpitsabo mahasitrana ny aretintsika rehetra. Ao aminy no tena misy ny fanafody rehetra.

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany, indraindray no hahenoana kristianina:

  • mitady mpanao fanafody etsy sy eroa;
  • ametrahan-tànana etsy sy eroa;
  • mandeha mihotra etsy sy eroa;
  • misy aza mahavita mandao ny finoana mihitsy noho ny fitsaboana.

Tandremo, riorio foana, hono, ny an'ny angidina. Ary aza mba  manao dokotera tenany izany. Fa raha mahatsapa tena fa marary ianao, indrindra amin'ny ara-panahy, dia manatona mivantana an'i Jesoa amin'ny alalan'ireny solontenany hita maso ireny fa tsy misy mahavita tena izany eo amin'ny fiainana, fa fifanampiana mandrakariva. Ary ny mahery tsy maody, hono anie, tsy ela velona.

Masina Maria, fahasitranan'ny marary! Sitrano ny marary rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...