15 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)

Amin’ny alalan’ny fanoharana no entin’i Jesoa mampianatra eto: ny jamba tsy ho afaka hifampitantana fa tokony hahita ny iray fara faha ratsiny. Eo amin’ny fiainantsika anefa betsaka ny jamba mifampitantana toy ireny miantehitra amin’olona ireny kanefa ilay olona ianteherany dia jamba ihany koa, eo koa ny milaza hoe: ka i anona manao an’izao dia atao ihany koa izay ataony, ao koa ireny olona mampandry adrisa, indrindra amin’ny finoana ireny kanefa ny tombotsoany no tadiaviny dia roboka! Indrisy anefa fa loza aman’atambo no vokany. Eo amin’ny resaka sakramenta: tsy afaka miantoka raha tsy olona vita fankaherezana sady ara-dalàna ara-tsakramenta raha tsy izany jamba mifampitantana. Marihina tsara fa tsy hoe vita fankaherezana fotsiny ny mpiantoka fa tsara kokoa raha tomombana tsara ka vita mariazy raha manambady, tsy mivadi-pinoana, fa miezaka miaina izay sakramenta noraisiny araka izay tratra. Ampirisihina toy izany koa ireo mpandray andraikitra ao amin’ny Eglizy, mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava izy ireny.

Manaraka izany, ny Mpampianatra lavorary i Kristy, isika kosa mpanara-dia Azy. Tsy ho afaka hisongona Azy velively isika. Fara faha amboniny ny milahatra aminy, ny mizo-dalana miaraka aminy! Izao koa raha amin’ny fiainana an-davanandro: ny mpianatra raha mahazo diploma toa ny mpampianatra azy tsy hitovy aminy satria mbola tombony ho an’ny mpampianatra mandrakariva ny traikefa ananany.

Fa eto koa: tsy ampy ny fandinihan-tena fa maika hanasoketa ny hafa. Malaky ery mijery ny hadalan’ny hafa fa tsy hita na saronana ny an’ny tena. Ny zavatra kely sendra nadadiso ny hafa tsikafonina ery fa ny zava-doza nataon’ny tena tsy mampaninona akory. Indraindray aza mihevitra fa tsy manam-pahadisoana akory. Azo lazaina koa fa ny fahadisoana kely an’ny hafa jerena amin’ny lopy ka manjary ngeza omby loha fa ny fahadisoana lehibe vitan’ny tena hakelezina ho toy ny lava-panjaitra. Izay ilay sombim-bozaka sy sakamandimby amin’ny fanoharana lazain’i Jesoa. Koa aza maika hitsikera ny hafa fa ny an’ny tena aloha atao voalohany. Fa raha tsy izany mpihatsaravelatsihy isika. Izay ilay fandinihan-tena lazaina etsy ambony. Mazava eto ny lazain’i Jesoa: “Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.” Mahereza!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...