27 septambra 2023 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Mankalaza an’i Masindahy Vincent de Paul ny Fiangonana amin’ity anio ity. Mpiaro faharoa an’i Madagasikara izy ao aorian’i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka. Ka isan’ireo hatsaram-panahy nampiavaka azy ny fangorahana ny mahantra sy ny olona lavitry ny Evanjely. Moa ve tsy izany indrindra no nataon’i Jesoa voalaza eto amin’ity Evanjely ity? Ao anatin’ireo fepetra takiana hahafahana manangana olona iray ho eo amin’ny laharan’ny olomasina ato amin’ny Fiangonana Katôlika rahateo ny fiainana ny Evanjely. Toetran’Andriamanitra efa hatrizay ny mangoraka, miantra sy mamindra fo. Ary izany no nanirahany an’i Jesoa hamonjy ny olony : hampianatra, hitory ny Vaovao Mahafalin’ny fanjakan’Andriamanitra ary hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Tian’Andriamanitra hiadana sy ho sambatra ny vahoaka nohariany, saingy ny gejan’ny fahotana no nampahory ny olombelona. Koa tsy nitsahatra Izy nanafaka antsika hiala ao anatin’izay fahoriam-piainana izay satria tsy tiany hisy ho very ny olony, tsy tiany hisy hanalavitra Azy.

Noho izany, tsy vitan’ny mangoraka antsika fotsiny Izy fa mamporisika antsika ihany koa hitalaho, hivavaka, hangataka amin’Izy Andriamanitra mba hisy mandrakariva ny olona hamaly ny antsony hiasa eo amin’ny variny. Ilain’Andriamanitra isika ho mpiara-miasa aminy, hanohy ny asa efa natombony. Isan’ireo nanatanteraka izany i Masindahy Vincent de Paul ka nitondra fanamaivanana ny fijalian’ny olona: nataony tamin’izany ny maka ny mason’Andriamanitra ary mijery amin’ny antsipiriany mihitsy ny fery kely madinika indrindra manaintaina isam-batan’olona; mindrana ny sofin’Andriamanitra ka mihaino ny fitarain’ireo olona tsy misy mpihaino sy ireo voahilika; mahay manimbolo ny fofon’ny olona vesaram-pahoriana amin’ny orona tsy mitampina. Raha haintsika ny manatanteraka izany dia ho antra fo sy mangoraka olona toa an’i Kristy isika ka ho tena mpiara-miasa aminy tokoa toa an’i Masindahy Vincent de Paul.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...