Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 5-11)

Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny famonjena namana.

Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahan’ny Tompo?
Tsy izao va ny fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-andrariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorìna ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoana ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Inty aho!
Raha esorinao tsy ho eo imasonao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra ny olona miaraka amin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!
Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy amin’ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
sy fahamasinana amam-panavotana antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
izay mireharaha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy
toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...