15 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Ry mpihaino hajaina, ny lohahevitra anentanan’ny Fiangonana antsika amin’ity alahady ity dia ny hoe: “Antsoin’ny Tompo hankeo amin’ny fanasany isika”. Fanoharana no entin’i Jesoa mampianatra antsika amin’izany fanasana izany. Asehon’ny Soratra Masina fa Andriamanitra dia tsy mitsahatra, tsy sasatra ny manasa antsika hiombon-kafaliana aminy. Ny fanasana amin’ny fampakaram-bady no mampiseho fa tiany isika olombelona hiara-paly aminy. Lehibe loatra izany fitiavan’Andriamanitra antsika izany. Izy no miantso antsika isan’andro amin’ny fahasambarana sy fiadanana ary hafaliana. Izany no hita mandritra ny fanasana: sakafo voatokana: matavy, divay tsara indrindra, ravaka maro samihafa, mozika, dihy, hira, fanentanana maro samihafa. Izany hoe hafaliana lavorary. Izany no nahatonga ny Farisianina niloa-bava fa toa tsy mifady hanina ny mpianatr’i Jesoa, toa hitany fa anatin’ny hafaliana foana miaraka amin’i Jesoa.

Indrisy anefa fa fandavana no asetrintsika izany. Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny andron’ny Tompo isaky ny alahady dia santatr’izany sy tandindon’izany fanasana izany. Firifiry isika no tsy mandeha mivavaka ny alahady fa mandeha manao raharaha hafa: lasa mandeha mamonjy ny raharaha andavanandro, eny an-tsaha, eny am-pivarotana ary mety mandeha mamonjy ny andron’ny Tompo ny alahady sy ny andro voadidy hohamasinina ihany fa indraindray tsy eo ny fo sy ny saina fa ny vatana ihany. Atakalontsika zavatra hafa ny andro mba angatahan’Andriamanitra antsika hijanona miaraka aminy, hizarany ny hafaliany miaraka amintsika. Lehibe loatra ny voninahitra omen’Andriamanitra antsika satria nomeny fanasana isika hiombona aminy. Hoy ny didin’ny Eglizy: “Mankamasina amin’ny andro alahady fa aza miasa”.

Tsy kivy anefa Andriamanitra, fa tsy mitsahatra Izy no manao ny ezaka rehetra mba hamaliantsika ny fanasany ka mahazo fanasana avy aminy daholo na tsara na ratsy. Ny famaliantsika ny fanasany kosa anefa dia mitaky ezaka amintsika hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fankalazana toy ny fitafy entina amin’ny fanasana. Hitafy ny fomban’i Kristy, fiainam-baovao (Ga 3, 27).

Ry Ray ô, tsy mendrika ny fanasanao izahay raha ny fahamendrehanao sy ny fahamasinanao indrindra moa rahefa mitodika amin’ny fiainanay izahay kanefa tsy mitsahatra ianao ny manasa anay na dia fantatrao aza ny fahalemenay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...