19 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)

Ry mpihaino hajaina, miteny mafy ny Farisianina sy ny mpanora-dalana i Jesoa amin’ity Evanjely ity. Hoy Izy: “Hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ràn’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana izao tontolo izao”. Tsy mora ny maha iraka sy maha mpaminany fa nisedra fanenjehana sy famonoana. Nisedra izany ny mpaminany sy ireo iraka maro samihafa noho ireo sokajin’olona mihevitra fa taranak’i Abrahama, tsy zanaky ny mpanompo, mahay ny Soratra Masina, indrindra moa ny tsy fisokafan’izy ireo fa mikombona amin’ny fitazonana ny fombam-pivavahana sy ny fomban-drazana nifandovana.

Ny tsirairay araka ny tenin’i Jesoa dia samy hovalian’Andriamanitra amin’ny asany avokoa, fa notenenin’i Jesoa mazava eto ny fandatsahan-drà an’ireo mpaminany, mariky ny fandavana an’Andriamanitra miharihary izany. “Izay mandray anareo dia mandray Ahy”, hoy Izy. Tsy nankasitrahan’i Jesoa hatramin’ny nataon’ireo taranany nanamboatra fasana ho an’ireo novonoin’ny razany, ny nandrasan’i Jesoa dia tsy fomba ety ivelany fa ny fibebahan’ireto taranany, tsy handova ny famonoana sy hiraikitra amin’ny fomba fa hisokatra amin’ny fandraisana ny hafatra nampitondrain’Andramanitra an’ireo irany. Hatramin’izao fotoana iainantsika izao dia mbola misy ny tahaka ny fasana, madio ivelany fa ao anaty fahalovana, tsy mibanjina ny fitsarana ataon’Andriamanitra amin’ny farany fa mitoetra amin’ny maha olona ihany.

Mbola miteny mafy i Jesoa amin’ireo sokajin’olona izay manana ny fanalahidin’ny fahalalana kanefa tsy mampiasa izany hidiran’ny hafa. Misy olona manana fahaizana sy fahafahana ary fahefana hahatonga ny olona hahafantatra ny fanjakan’Andriamanitra na hampivelatra ny olona amin’ny fampandrosoana fa tsy manao izany. Loza ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tokony tsy manoro ny lalana tokony aleha amin’ireo feheziny na tsy manatanteraka ny adidiny ara-dalana na tsy mampiasa ny talentany ara-dalana. Misy natao hamaha olana amin’ny fiaraha-monina ary tokony hahavita izany kanefa tsy mampiasa izany fanomezam-pahasoavana izany, ireo ilay mandevin-talenta, any amin’ny fikitroha-nify no mendrika azy, hoy i Jesoa.

Irin’i Jesoa ny mpianany mba hijoro ho vavolombelon’ny fivavahany na ny finoany amin’ny fiainany sy ny asany, hampifanaraka ny ety ivelany sy ny ao anaty. Kristianina mitondra fiainam-baovao, fahavelomana, fanafahana ary fanantenana amin’ny fitsanganan-ko velona.

Ry Ray ô, afaho amin’ny fihatsaram-belatsihy sy ny fisehosehoana ety ivelany izahay, fa ataovy tena mpianatra vavolombelon’ny fitiavana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...