22 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)

Fametrahana an’Andriamanitra amin’ny toerana tokony hisy azy no hamafisin’i Jesoa amin’ny mba tsy hanafintohina ny olona eo am-panatanterahana ny lalàna. “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo An’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. Tsy milaza mihitsy i Jesoa fa tsy tokony mandoa hetra na dia izany aza no niampangana azy (Lk 23, 2). Sao manafintohina ny olona hoy izy tamin’i Piera dia haloavy ny hetra ho ahy sy ho anao (Mt 17, 27).

Mpihatsaravelatsihy ny Farisianina sady tsy sahy intsony izy ireo no mampidi-kizo ny hafa hiray teti-dratsy aminy. Iretsy iraka koa milaza fa marina i Jesoa. I Jesoa tokoa no nirahin’Andriamanitra mba hampahatsiaro ny vahoakany fa hafaliana ho azy ny fandraisana vokatra avy amin’ny tanim-boalobony. Mety ho Mesia araka ny pôlitika no andrasan’i Israely saingy Mesia araka ny nampanatenainy kosa no nomen’Andriamanitra.

Noho izany, mety ve sa tsia ny mandoa hetra? Raha tsy mety dia ahafaly ny vahoaka efa leon’ny fanjanahana. Raha mety kosa dia vao mainka tsara satria ny tahotra ny vahoaka no tsy nisamborany azy (Mt 11, 46). Ny valintenin’i Jesoa anefa tsy hoe hafetsena hialana amin’ny fandrika fotsiny ihany fa mampianatra antsika ny fiainana araka ny fahendren’olombelona sy ny fahendren’Andrimanitra, (io moa no foto-kevitra hijoroan’ny Kônsily Vatikana faha-2 izay lazain’ny teny frantsay hoe “double fidelité à l’homme et à Dieu”), i Sezara sy izay mahazo fahefana hanjaka no mandamina ny tany sy ny fanjakana ka ny fanekena ny drafitra hapetrany raha toa ka tsy mbola fanerena hanao ratsy izany dia tokony hatao mba tsy hisian’ny fanafintohinana (Mt 17, 16). Tsy tokony hifangaro anefa ny antony handoavana hetra sy ny fitantanan’ny sasany izany noho ny fahotana. Ny fahalovana sy ny fitiavan-tena tsy afaka hanamarina ny herisetra sy ny fanjakazakana izay mety ho fiheverana hamongotra ny ratsy amin’ny hery sy ny fahaizan’olombelona mandamina ihany. Manimba zavatra be izany. Ary ny tantara efa mampianatra antsika zavatra betsaka momba izany, tsy midika ho fanarahana am-bokony anefa izany fa kosa fahavononana na ny marimarina kokoa fivononana hanohitra raha sanatria ny ratsy sy ny tsy rariny hamono ny madinika sy ny daholobe no heverin’ny mpanjakazaka hampanjakaina.

Noho izany raha sarin’i Sezara no eo amin’ny denie nasehon’izy ireo dia tokony hanaraka ny lalàna hapetrak’i Sezara izy ireo, fantatry ny Jody rahateo ny hevitry ny sary mipetraka eo amin’ny zavatra iray miampy ny anarana ihany koa ary nanaovany lalàna ny tsy hampidirana ny volan’ny Romanina tao amin’ny Tempoly ka sady ahazahoana tombony ihany no hampahatsiarovana ny olona fa tsy tokony hisy zavatra hafa homem-boninahitr a afa-tsy Andriamanitra irery sy ny anarany masina ao amin’ny tempoly. Dia izay no zava-dehibe tokoa ho an’i Jesoa, miverina amin’ny asa nanirahana azy izy dia mampahatsiaro an’ireo nanankinana ny tanimboaloboka, ireo naniraka ny mpianany sy herodianina fa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra . Ho an’ny Jody dia tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra, ny olona tsirairay dia nohariana mba hitovy endrika amin’Andriamanitra ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa voaantso handoa ny vokatry ny fitiavana.

Hetra tokony haloa amin’ny fanarahana ny lalàna ka izay no ahafahana kosa hanaraka azy. Ho zanaka mpandova miombona amin’ilay zanany tokana, ilay mampiseho ny famirapiratan’ilay endrik’Andriamanitra nahariany antsika. Ny fandoavana izay an’i Sezara dia tsy fatiantoka velively ho an’izay mahatsapa fa ny fahantrana no ahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny fandraiasana anjara amin’ny fampandehanan-draharaha eo amin’ny fiaraha-monina dia adidy masina. Ny fanomezana an’Andriamanitra izay azy kosa dia manova ny fiainana manontolo na ho an’ny tena manokana na ho an’ny fifandraisana amin’ny hafa fa indrindra amin’ny fiezahana manoratra izay tiantsika hovakian’ny olona momba ny fianantsika sy izay ambaran’ny Raintsika rehefa handray antsika eo am-pelatanany izy indray andro.

Ho an’i Jesoa Kristy mpanjakan’ny Jody no nosoratan’i Pilaty, ilay kapiteny kosa nanamafy ny tenin’ny Ray fa tena zanak’Andriamanitra tokoa ilay nihantona teo ambonin’ny hazofijaliana, tsy dia ny henatr’olona sy ny mba ho hitan’ny olona mpiara-belona ihany anefa no hevitr’izany. Ambaran’i Jesoa mazava fa ny zanaka Izy Andriamanitra, ary tsy izy no tokony handoa hetra fa isika, ny hetra andraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaianam-piaraha-monina dia adidy masina na dia mazana aza araraotin’ny maty eritreritra ny fahalalaham-pon’ny maro, hanodikodinana ny volam-bahoaka, adidintsika kristianina ny mitondra izany am-bavaka ary isika tsirairay avy no miezaka hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany mba tsy ho fitaovana hitakiana ny hetra sy atao antom-pivelomana Andriamanitra sanatria.

Nohariana hitovy endrika amin’Andriamanitra isika, hiezahantsika isan’andro ny hampiseho izany endrik’Andriamanitra izany na amin’ny teo-piaianantsika na amin’ny hafa ka hifanampy mba hanome an’Andriamanitra tokana izay misy ny sariny sy hitondra tena ho an’i Kristy izay mitondra ny anarany. Sady olombelona vita amin’ny tany anefa isika no nohamasinin’ny Fanahy, koa angatahontsika amin’Andriamanitra àry mba ho ambinina amin’ny zava-mandalo isika hahay hankafy ny soa manadrakizay, hiasa hahafoy tena ary haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...