25 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Mivonona ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny zanak’olona, efa nolazaintsika anefa fa ireo mihaino ny fampianaran’i Kristy dia mahalala fa ny fahafatesany no nandravany ny herin’ny maizina sy handreseny ny fahavalo farany dia ny fahafatesana, ary izay miombona amin’izany fandresena izany amin’ny alalan’ny finoana dia efa nanandrana sahady ankehitriny izao ny fahasambaran’ny lanitra, araka izany ny mpianatra dia mahalala tsara ny ora ka tsy hanaiky ho tafihan’ny mpangalatra, tsy hanaiky ho fitahan’ny hafa amin’ny mbola mety ho fiandrasana Mesia hafa.

Efa feno ny fotoana ary ho fenoin’ny fahasoavana no ankalazaina isan’andro ao amin’ny Eokaristia na dia mbola tsy feno fatra aza ny fomba sy ny toe-po hoenti-mankalaza izany. Tsy fiandrasana mpangalatra handroba mampatahotra araka izany ny fiandrasana an’i Kristy fa fiandrasana ilay hampipetraka ka hampihinana ny mpanompony, ny fahatongavany no hahalavorary ny fiombonana tanateraka aminy na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana. Lazain’ny Evanjely anio ihany koa ny hevitry ny hoe voatendry hifehy ny mpanompo, hanome anjara vary ara-potoana izay mahatoky sy hendry nofidiana ho mpitandrim-pananana ary amin’izany fitokisana sy fahendrena izany ny fanomezana ny olom-pehezina izay ilainy, mampalahelo raha toa ka noho ny tsy fahazahoan’izay fehezina izay ilaina no mampirongatra azy hitady izany any amin’ny làlan-diso. Raha ankoatra ny anjara vary ampy hivelomana indray anefa no tadiavin’ny olom-pehezina ka mampaniasia azy dia anjaran’ny tompon’andraikitra no mamerina azy amin’ny lala-mahitsy (Lk 15).

Mila mandinika mandrakariva izay nomena fahefana hifehy sao tsy mahazo ny anjara variny ara-potoana ireo izay nankinina taminy, sao ny lovia sy vilany maloto no hibedesana azy kanefa na vary iray sotro aza tsy miditra ny vavany; tsy ho an’ny mpianatra ihany anefa izany teny izany fa ho an’ny olombelona rehetra, antsoin’izy Tompo isika hahatsiaro fa mpitandrim-pananana (économe) ihany, mpiandry omby vola vita ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Ny fahatsiarovana fa fanomezana avy any amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ka nomeny mba hoentina hanasovana ny zanany rehetra. Lalam-pahasambarana ny fahaiza-mitantana araka ny hevitr’Andriamanitra satria izany no hahatonga antsika ho zanaka mpandova, ho mpitantana ny fananany rehetra, eny fa na dia ilay zaza mpandany koa aza ao aoriana kely dia lazain’i Lioka fa hahazo indray ny peratra ahafahany mitantana ny fananan’ny rainy. Tsy misy tokony hampialona izay soa vitan’ny hafa, ny tokony handinihan-tena dia sao sanatria ny fanomezana avy amin’Izy Tompo tsy haintsika ny hampamokatra azy araka ny sitrapony ka mety hiheverantsika fa Tompo lasa lavitra izy ka mbola ho el a vao hiverina.

Hampitombo finoana sy hafaliana antsika anie ny mahita ny soa ataon’ny hafa ka sady hampisaotra an’Andriamanitra no hampitombo koa ny fandraisana anjara amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra amin’izay kely na be vita araka ny fanomezam-pahasoavana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...