22 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)

Efa manakaiky ny faran’ny taona litorjika isika izao, koa tsy mahagaga raha miompana amin’ny fahatongavan’Andriamanitra hamangy antsika ny Evanjely tato ho ato. Betsaka no matahotra manoloana an’izany, ary mety ho isan’izy ireo isika. Misy amintsika ihany koa anefa mety tsy mahita izay hatao na koa mitady zavatra hafa hanarian-dia mba tsy hiheverana velively an’izany resaka izay mety mandany jiro izany. Tsarovy anefa, fa ho avy Izy Tompo, ary ho avy hitaky tatitra amintsika araka ny lazain’ny fanoharana anio. Noho izany, ny zavatra tokony hatao no mila fantarina eto fa tsy ny tahotra sanatria no hamatotra antsika.

Toe-tsaim-panompoana no ilaina hananan’ny tsirairay eto. Mpanompon’Andriamanitra mandrakariva isika mandra-pahatapitry ny fofon’aintsika, ary io anarana io no hahafantaran’ny Tompo antsika rehefa tonga ny fotoana hahatongavany.

Natao hiasa ny mpanompo, natao hanatanteraka ny sitrapon’ny tompony. Fa tsy mpanompo “boloky” anefa, fa mpanompo tsy misasatra mikaroka ny fomba hanatanterahana an’io sitrapon’Andriamanitra io; mitady ny fomba rehetra ho fanitarana ny Fanjakany. Izany toetra izany no nasehon’ireo mpanompo roa voalohany, ka notolorana valisoa izy ireo dia ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa tsy mba toy izany kosa no nataon’ity mpanompo farany satria toa toe-tsain’olona miaingitraingitra no nasehony. Mpihaingitraingitra satria tsy te hisalahy, tsy mandray ravin-deno, tsy te hisahirana sy tsy te haloto tànana, izany hoe, tsy te hiasa sy hifofotra na oviana na ovina amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Toa te hanakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka izany toe-tsaina izany. Faty antoka ho azy ny fananany an’izany toe-tsaina izany satria, tsy voasakany akory ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka fa nafindran’Andriamanitra tamin’ireo namany ny fanatanterahana an’izany ary izy kosa tsy nahazo valisoa akory.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...