25 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Miresaka mahakasika ny fitsangan-kovelona ny Evanjely anio. Anisan’ny teny finoana voarakitra ao amin’ny Fiekem-pinoana. Matetika anefa isika no tsy dia mahazo tsara azy io, koa andeha àry isika hihaino ny fanazavan’i Jesoa Kristy momba izany. Lazain’i Jesoa Kristy mazava fa tsy mitovy velively amin’ny fiainantsika eto an-tany ny fiainan’ny fitsangan-kovelona; tsy hoe taratry ny fiainana eto an-tany na koa fitohizan’ny fiainana teto an-tany fa samy hafa mihitsy.

Fiainana nomanin’Andriamanitra ho an’ireo olomarina izy io izay ahafahan’izy ireo handray anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra, tsy ahitana fahafatesana na oviana na oviana. Tsy miahiahy na koa matahotra an’io fahafatesana io intsony ny olomarina. Noho izany rava hatreo ny fomba atao rehetra handresena ny fahafatesana toy ny firosoana amin’ny fanambadiana sy ny fiterahana. Ny anambadian-kiterahana hoy ny fitenin-drazantsika, fa aseho amin’ny alalan’ny fiterahana ihany koa ny faniriana ny ho lava andro iainana satria hampitain’ny taranaka mifandimby ny anarana sy ny aina.

Farany, Andriamanitra velona io Andriamanitsika io; Andriamanitry ny velona Izy ary miombona aina mandrakariva amin’ireo olomarina na dia efa nodimandry aza izy ireo. Ho antsika kristianina, Andriamanitra velona i Jesoa Kristy ka tsy voasakan’ny fahafatesana na oviana na oviana ireo kristianina miombona aina aminy : “Izay mino Ahy na maty aza na mbola velona, izay mino Ahy mbola ho velona”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...