17 desambra 2023 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)

Ry kristianina havana! Ity alahady fahatelo amin’ny fiaviana ity no alahadin’ny fifaliana. Tamin’ny alahady voalohany dia alahadin’ny fanantenana, ny faharoa: fiadanana. Mampisongadina ny hafaliana satria ho avy ny Mesia ka ny fanantenana sy ny fiadanana voalaza tery aloha no manome hafaliana antsika miombona amin’ireo mpiandry ondry faly fa nahita ny Mesia. Anisan’ny manasongadina bebe kokoa an’i Maria sy i Joany Batista ny fiaviana indrindra ny alahady faharoa sy fahatelo. Vavolombelona farany i Joany manambara ny fahatongavan’i Jesoa satria tsy nisy olona mihitsy nahalala fa efa tonga ny Mesia raha tsy i Joany no nanambara. Toy izany koa ny fiandrasantsika ankehitriny ny fiavian’i Jesoa am-boninahitra izay tsy hisy ahalala mihitsy fa ny fiomanana no atao tsara, ary anisan’ny manomana antsika amin’izany ny fotoana toy izao. Eto dia famantarana manambara ny fahazavana i Joany mba hinoantsika. Mba ahafahantsika mandray am-pahamendrehana io fahazavana io, dia i Joany no manokatra ny lalantsika amin’ny alalan’ny fibebahana. Izany no anisan’ny lalana amboarintsika hidiran’io Mesia io, dia i Jesoa eo amin’ny fiainantsika. I Joany mpanoratra ny Evanjely no anisan’ny manasongadina io Fahazavana io. Tarihina hatrany isika hanatona ny fahazavana, ho tia ny fahazavana ary handray io fahazavana io, satria ratsy ny asan’ny maizina ary mahavery antsika any amin’ny fahafatesana mandrakizay. Io fijoroan’i Joany Batista ho vavolombelona io dia tsy nijanona teo amin’ny fampahafantarana antsika ny Mesia sy fanomanana antsika io fotsiny, fa niafara hatrany amin’ny fanaovany martiry ny tenany mihitsy satria ny hevitr’io teny hoe vavolombelona io araka ny niandohany “teny grika” dia “martyros”.

Ny anarana entintsika “kristianina” dia mampirisika antsika isan’andro hitady an’i Kristy toy ny fiandrasan’ny vahoaka Jody azy tamin’izany fotoana izany. Mitady an’i Jesoa isan’andro isika fa hoy ihany koa i Joany hoe: eo afovoantsika Izy, ao amin’ny fiainantsika Izy, fa indraindray tsy fantantsika na tsy tsapantsika izany. Mazàna moa dia difotry ny fiainana iainantsika andavanandro isika ka hadinontsika tokoa izany fisian’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika izany. Ry kristianina hava-malala, aoka isika tsy ho varian’ny lavitra na dia sasatra mitady etsy sy eroa hoe iza ary aiza marina ity Jesoa ity, fa ao amintsika eo ihany izy ka mila fantarintsika izany. Fotoana lehibe izao fotoana natokan’ny Eglizy isan-taona hiovantsika sy hibebahantsika izao ahafahantsika mamantatra bebe kokoa an’i Kristy, ilay Mesia efa tonga, fa mbola ho avy am-boninahitra; koa aza avela handalo fotsiny izao fotoana izao fa hararaoty ary aza manjehy ny andro ho lava fa aoka ho vonona mandrakariva.

Jesoa Tompo ô! Ny fomba rehetra no nentin’i Joany Batista nijoroana ho vavolombelona nanomana anay ary nanambara anay anao, koa apetrakay eo am-pelatananao mandrakariva ny fiainanay sy ny ezaka ataonay mba tsy handalo fotsiny ho anay ny fiaviana fa hanova ny fiainanay hitovy amin’ny Anao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...