2 janoary 2024 — Talata, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)

Ry mpihaino hajaina, ny tontolo iainantsika ankehitriny dia tontolo mila vavolombelona marina tahaka an’i Joany Batista. Ny hoe vavolombelona mantsy dia olona nahita sy nanatri-maso ny zava-mitranga iray, raha tsy izany dia lasa mpandainga, vavolombelona tsy marina. I Joany Baptista kosa dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahatongavan’ny Mesia, ilay zanak’Andriamanitra, satria efa nihaona taminy. Ny vavolombelona dia mijoro manambara ny zavatra hitany momba ny toe-javatra iray fa tsy manambara ny tenany. Ireto Jody ireto anefa dia tena maika hahafantatra ny momba an’i Joany sao dia izy no Mesia. “Iza moa ianao?” (Lk 1,). Efa nanana valy andrasana ireto iraka ireto, noho izany dia azo nofitahina izy ireo satria ny zavatra hitan’ny olona ety ivelany momba azy dia maneho ny toetran’i Kristy: “Nahoana ary ianao no manao batemy raha tsy i Kristy na i Elia na ilay mpaminany”.

Hita eny amin’ny fiaraha-monina matetika ny fisandohana andraikitra maro samihafa, ny kristianina kosa dia tsy mpisandoka ho Andriamanitra fa tena fanirian’Andriamanitra ny tena hanahafantsika azy amin’ny toe-panahintsika: fanampiana ny hafa, firaisan-kina, fitiavana, vavaka, tsy mpihatsara-velatsihy, tompon’andraikitra, manaja ny zon’olombelona, mirotsaka amin’ny fahamarinana sy miady amin’ny fanilihana miseho amin’ny endrika maro samihafa.

Tsapan’ny olona fa manana toe-panahy sy fomba fiainana tsy lavitra an’i Kristy i Joany fa teo izy no nijoro ho vavolombelona nampitodika ny olona nampahafantatra an’i Kristy. “Tsy i Kristy aho”, hoy izy. “Izaho manao batemy amin’ny rano fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo dia ilay avy ao aoriako”. Mba ho azo antoka ny fitoriana dia ilay mpitory aloha no tokony mampihatra amin’ny tenany izay torìny. Amin’izay dia mora kokoa ny fampitana ny hafatra. Resy lahatra tamin’i Joany ny Jody fa izy no nampitodika ireto iraka hanontany azy tany amin’i Kristy. Toy izany koa, mety hitodika aty amintsika ny olona fa isika no mety ho làlana tsy ahafahan’izy ireo tsy hahalala hitodika any amin’Andriamanitra. Andraikitra miandry antsika ny mampahalala sy mampahafantatra ilay loharanom-pahasoavana sy famonjena.

Ry Ray ô, ampianaro izahay mba hahay hitondra ireo namana tsy mahafantatra Anao ao amin’ny Eglizinao, ka ny fihetsika sy ny fitondran-tenanay tsara anie hanampy azy ireo ho mora hino anao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...