3 janoary 2024 — Alarobia, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)

Ry mpihaino hajaina, nolazaintsika omaly fa i Joany Batista dia ilay vavolombelona marina, satria nahita maso ny Mesia. Ny Vaovao Mahafaly anio ary dia manamafy ny voalazantsika omaly. I Jesoa mihitsy mantsy no nanatona an’i Joany. Rahefa misy fifanatonana ka raha mbola tsy mifankahalala dia mifanontany sy mifankafantatra na koa rahefa mifankahalala dia milaza avy hatrany ny am-pony na dia tsy miloa-bava ny momba ilay olona na ratsy na tsara.

Fa i Joany kosa nahalala avy hatrany an’i Jesoa ka nilaza ny momba azy. Hoy mantsy izy, indro ilay zanak’ondrin’Andriamanitra, ilay manala ny fahotan’ny olona, ilay avy aoriako, ilay efa talohako, ilay nidinan’ny Fanahy Masina, ilay manao batemy amin’ny Fanahy Masina, ilay zanak’Andriamanitra. Araka io voalazan’i Joany io dia miisa fito ny filazany ny momba an’i Jesoa, ny isa fito mantsy dia manambara hafenoana, manambara fahalavorariana.

  • I Kristy ilay antsoina hoe Zanak’Ondrin’Andriamanitra, dia maneho ilay toetrany malemy paika, hanao sorona ny ainy, tsy misy pentina, maneho sahady koa ny fitsimbinan’Andriamanitra manokana ny ondry very.
  • Ilay manala ny fahotan’ny olona, izy ilay mpanavotra, mpamonjy ny olombelona amin’ny fanoloran’ny tenany teo amin’ny hazofijaliana, izy ilay nanavao indray ny fanekem-pihavanana amin’ny Ray, midika fa Andriamanitra mamindra fo toy izay hanameloka.
  • Ilay avy aoriako hoy i Joany, no nialoha lalana azy, nampahafantatra azy, nanomana ny fon’ny olona handray azy, teraka tao aoriany.
  • Ilay talohako, midika hoe efa nisy talohan’ny zavatra rehetra. Andriamanitra nahary izao tontolo izao fa naka nofo tonga olombelona. Hoy i Jesoa: “Mbola tsy àry i Abrahama dia Izaho ilay Misy” (Jo 8, 58).
  • Ilay nidinanan’ny Fanahy Masina, io no famantarana nahafantaran’i Joany fa io ilay hanao batemy amin’ny Fanahy Masina. I Kristy no itoeran’ny Fanahy Masina (Iz 11, 2, 42, 1; 61, 1) dia izy ihany koa no afaka hampita ny Fanahy Masina amin’ny olon-kafa ka manatanteraka ny faminaniany (Ez 36, 26-27).
  • Ilay hanao batemy amin’ny Fanahy Masina, nambaran’i Joany fa izy dia manao batemy amin’ny rano fa ho avy ilay hanao batemy amin’ny Fanahy Masina.
  • Ny fanambaran’i Joany dia nifarana tamin’ny filazany tamin’ny fijoroany ho vavolombelona fa izy no Zanak’Andriamanitra. Ny vahoaka Jody dia afaka tamin’ny fanandevozana tamin’ny alalan’ny ran-janak’ondry fa isika kosa dia voavonjy mandrakizay noho ny ran’i Kristy, zanak’Andriamanitra.

Ry Ray ô, misaotra amin’ny fanomezanao ny zanakao lahitokana namonjy anay izahay, mba ataovy ho afaka hanohy ny asan’ny zanakao entanin’ny Fanahy Masina noraisinay tamin’ny sakramentan’ny Batemy sy ny Fankaherezna. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...