18 febroary 2024 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)

Alahady voalohany isantarantsika izao vanim-potoana ny Karemy izao ity alahady ity. Karemy, fotoana lehibe omen’Andriamanitra antsika zanany mba hanavaozantsika ny maha isika antsika eo anatrehany, fa indrindra ny fifandraisantsika Aminy. Toy ny efa fanao isan-taona dia fotoana natao handinihana ny karemy, handinihana ny tena sy ny fiainana sao entim-pahazarana fotsiny isika, na efa nivily lalana, na sao nanadino ny tokony tandrovana sy iainana.

Manampy antsika amin’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany ny Soratra Masina atolotry ny Fiangonana anio. “Andriamanitra te hihavana amintsika, hanao fanekem-pihavanana amintsika.” Amin’ny fombatsika olombelona dia ny hoe: “izay mifanohitra tsy afaka hiaraka, tsy afaka hifandray”. Raha masina Andriamanitra, isika olombelona mpanota, tsy afaka hifandray, tsy afaka hiara-dia. Kanefa asehon’Andriamanitra antsika izany. Tiany isika ka tsy foiny hisaraka Azy. Ny tia dia tsy manafoana ny fifandraisana, ny tia tsy manary na oviana na ovina.

Tamin’ny alalan’ny Zanany indrindra Andriamanitra no namitrana ny fihavanantsika Aminy, io zanany io no naneho ny indrafony, mariky ny fitiavany tsy mivadika. Ka izay rehetra nandray Azy, nino Azy ary manara-dia Azy dia tafahavana amin’Andriamanitra. Tsarovy anefa fa misy mpandrava, misy mpanimba io fifandraisantsika, io fihavanantsika amin’Andriamanitra io; dia tsy iza izany fa ny demony (izay mihitsy moa no dikan’ny ny teny hoe: demony, mpampisaraka). Ka anjarantsika ny miady mba tsy ho namany, tsy ho mpampisaraka toa azy. Anjarantsika ny miady mba hijory, tsy hivadika amin’ilay Andriamanitra tia antsika.

Mialoha ity Evanjely anio ity, ny Batemin’i Jesoa (Mk 1, 9-), ny nidinan’ny Fanahy Masina teo ambony. Io Fanahy io ihany koa no mbola nitondra Azy tany an’efitra sy nankahery Azy tamin’ny fitoriana ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ireo voambolana 04 (….) ireo no mamaritra, ny fiainantsika. Ary mampahatsiahy ny fihavaozana tokony hataontsika amin’izao karemy izao. Koa andeha iaraha-mandalina:

Batemy, fanombohan’ny fanekem-pihavanana ataon’Andriamanitra amintsika io. Izay vita Batemy dia toa an’i Jesoa, zanaka malalan’ny Ray. Tsy isika no mendrika izany, na manana zo ho amin’izany, fa fitiavan’Andriamanitra antsika io. Manomboka eo amin’ny Batemy no itandrovantsika ny tenantsika mba ho fonenana mendrka an’Andriamanitra, handiavantsika fiainana vaovao miombona tanteraka amin’Andriamanitra, ary ijoroantsika toa an’i Kristy, zanaka tia sy tiana.

Fanahy Masina, niterahan’Andriamanitra antsika, manilo ny dia sy ny fiainantsika, mankahery manohana, manome aina… I Jesoa dia nandeha ara-panahy. Ary isika mba manao ahoana? Ny fanahy no maha olona hoy ny fomba fitenintsika, fa mbola olona tokoa ve isika? Olona amin’ny fisaina, ny atao, ny fiaina, ny fomba isan-karazany. Mila manome lanja ny ara-panahy isika amin’izao karemy izao.

Efitra, betsaka ny azo handikana azy, fa ny efitra ho antsika dia fanavaozana, fanorenana ary fanamafisana indray ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra, fanarenana ny fihavanantsika Aminy. I Jesoa nankany an’efitra, dia manomana ny fiatrehany sy ny fanatanterahany ny iraka hataony. Fa isika mandalo efitra dia miala amin’ny tenantsika, miala amin’ny mahazatra mba hanavaozana ny fatoram-pihavanantsika amin’Andriamanitra. Ny efitra tsy ilaozan’ny fakam-panahy. Ao anatin’ny mahahory sy mampijaly no mampitotototo ny tena sy mampirohanahana ny saina, mitady toky etsy sy eroa. Na i Jesoa aza dia nalaim-panahy. Fa mila matoky an’Andriamanitra isika, mila mihantehitra Aminy. Ny tia tsy mamadika, tsy mandao.

Fitoriana ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, natao ho an’izay nohosorana ho zanak’Andriamanitra, natao Batemy. Voadidy haneho an’Andriamanitra isika, hampanjaka Azy. Ary haneho ohatra tsara ho tahafin’ireo mpiara-belona.

Aza avela handalo fotsiny izao karemy izao, fa ezaho hampandroso fahamasinana antsika, mba hahamasina ihany koa izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...