20 febroary 2024 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Fotoana natao hanamafisana sy hanatsarana ny vavaka, zava-dehibe voalohany amin’ny maha kristianina, izao karemy diavintsika izao. Ilana fahamatorana tsara mantsy ny fanaovana azy. Tsy ampy ny hoe nahavita vavaka na hoe avy nivavaka, fa ilana fahavononana ny manao azy, ilana toe-po tsara. Ny fandraran’i Kristy tamin’ireo mpianany hoe: “AZA”, dia midika fa misy vavaka tafita any amin’Andriamanitra, misy vavaka henoiny, fa misy koa anefa tsy izany velively. Misy fomba arahina ny vavaka fa tsy atao araka izay mety amin’ny tena fotsiny.

Ny fampianaran’i Kristy tamin’ny mpianany sy ho antsika ankehitriny hoe: “raha mivavaka ianareo manaova hoe: Rainay any an-danitra”, dia mampahatsiahy antsika hoe: iza tokoa moa no iresahantsika, rahefa mivavaka? Iza no itodihantsika? Andriamanitra Ray, Rain’Jesoa Kristy sady Raintsika io itodihantsika io rahefa mivavaka isika; ilana fahatsapana izany, mila atao ao an-tsaina. Ray tsy lavitra antsika Andriamanitra, mahalala sy mahatsapa izay manjo antsika zanany. Fantany izay ilaintsika. Matokia mitodika any Aminy.

Ity vavaka nampianarin’ny Tompo, vavaka fanaontsika matetika ity no maneho sy manamafy ny fifandraisantsika lalina amin’ilay Andriamanitra Raintsika, fa miantso sy mampahatsiahy antsika mandrakariva koa hanao izay hahatanteraka izany amin’ny tenantsika.
Rainay any an-danitra, mampiditra antsika ho isan’ny fianakavin’Andriamanitra, fianakaviana tsy voafetra; fa miantso antsika koa hahatsapa sy handray ny olombelona tsirairay ho toy ny mpiray tampo amintsika.
Hohamasinina anie ny anaranao, voaantso isika hanamasina ny anaran’Andriamanitra, izany hoe: hanaja Azy sy izay momba ary maneho Azy. Tsy hanafangaro izay an’Andriamanitra amin’ny zavatra hafa.
Hotanteraka anie ny sitramponao, manana adidy hampanjaka Andriamanitra tanteraka isika, handeha sy hiaina araka izay sitrany. Andriamanitra to teny ao amintsika.
Omeo anay anio, mila matoky ny fitiavany isika, izay ilaintsika na ara-batana, na ara-panahy; mila matoky sy mangataka ny sakafo ilaina sy ny famindram-pony, izay antoky ny fahavelomantsika.
Manafaha anay amin’ny ratsy, miantso antsika hanana toetra tsara, mahay mamela, handresy ireo fakam-panahy mitarika antsika tsy ho any amin’Andriamanitra. Ary hatoky ny famonjeny.

Ny maha kristianina tsy afa-miala amin’ny fiainam-bavaka. Mba ho tena vavaka hahitantsika sitraka eo imason’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, miezaha mba hanana ireo toetra tsara anafaran’i Kristy ny mpianany isika tsirairay avy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...