3 marsa 2024 —Alahady Fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-25)

Ry kristianina havana! I Masindahy Joany no manoratra ho antsika ny Evanjely amin’ity alahady fahatelo amin’ny Karemy taona B ity. I Joany dia impito no manambara fa mamonjy ary mandray anjara amin’ny fety lehibe sy ny fivahiniana isan-karazany i Jesoa, entina ilazana izany fa izy aza Andriamanitra mbola miezaka mamonjy ireny fotoana samihafa ireny mba hanamasin-tena. Fotoanan’ny karemy isika izao, fotoana tsara ahafahantsika manahaka an’i Jesoa koa araraoty ireny fitarihan’ny Eglizy antsika hanamasin-tena sy hibebaka amin’ny alalan’ny vavaka, fandihihan-tena (recollection), pèlerinage, laretirety... fa manampy antsika amin’izany fibebahana izany.

Niakatra namonjy ny pakan’ny Jody i Jesoa satria Jody izy, fiombonany amin’ny Jody mankalaza ny fetin’ny paka io, izay efa nodidian’Andriamanitra ho tsarovana isan-taona raha namorona ity fety lehibe ity izy ka namoaka ireo vahoaka Jody tao Ejipta. Ny lafiny maha olona an’i Jesoa io namonjeny ny fetin’ny Paka jody io fa ny maha Andriamanitra azy dia izy mihitsy no hanolotra ny tenany ho Paka ho antsika ary dian’ny hiatrika izany izy, satria ao Jerosalema no ahatanterahan’ny famonjena antsika. Io no paka lehibe ho antsika kristianina dia ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona. Mizotra makany amin’ny Paka izao fiomanana ataontsika ny karemy izao koa miombona isika amin’i Jesoa amin’ireo lalan’ny fibebahana maro hitarihan’ny Eglizy antsika ka hiara-mitsangana aminy amin’ny Paka ho famonjena antsika.

Mbola tandindon’izany ihany koa ny nambarany mahakasika ny Tempoly teo. Isika olombelona dia mijery amin’ny endriny ivelany fotsiny fa izy kosa dia mijery ny ao anaty ao. Mazana io tenantsika izay tempolin’i Jesoa io dia feno ireo karazan-doto ampidirintsika ao anaty ao ka mahatonga azy tsy te honina ao amintsika. Ela anefa no efa nandrafetantsika izany tempoly izany hatramin’ny nanaovana batemy antsika kenefa mazana manjaka ao ny ratsy. Ny fitsanganan’i Jesoa ho velona anefa no manadio antsika sy manome aina vaovao hahatonga io fontsika io ho tempoly masina fonenany, koa izao fiomanantsika amin’ny Paka izao anie hanova ny fontsika hifanaraka amin’ny sitrapony ka hahatonga antsika ho zanaka atsangany dia izy ilay zoky fitaratra ho antsika amin’izany rehetra izany.

Jesoa Tompo ô! Izao fotoana tsara izao no hanomananao anay hiombona aminao amin’ny fitsanganan-ko velona, koa enga anie izahay hiezaka hanala ireo rehetra mahaloto ny fonay ka manakana ny fidiranao ao amin’io fonay tempolinao io. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...