9 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

Ry kristianina havana! Mitodika mivantana amin’ireo mpanamarin-tena indray i Jesoa amin’ny fampianarany ato amin’ny Evanjely omaly. Toe-po tsara tokony hananana rehefa mivavaka ity ampianarin’i Jesoa amintsika androany ity. Izao fotoana tsara amin’ny karemy izao manko no hanentanan’ny Eglizy antsika hivavaka bebe kokoa satria mariky ny fibebahana izany kanefa eo no mila fitandremana fa sao manao tahaka ity Farisianina izay raisin’i Jesoa ohatra amin’ny Evanjely teo ity. I Masindahy Paoly dia mampianatra antsika hoe ianareo izay mijoro tsara mitandrema fa sao lavo, ary isika Malagasy dia manana ny fahendrentsika manao hoe “ny rariny tompoina mody heloka fa ny heloka hibabohana mody rariny”. Izany mihitsy no hita amin’ireto Farisiana sy Poblikana tantarain’i Jesoa ireto. Olona roa andeha hivavaka niala tany amin’ny misy azy tany no ambaran’i Jesoa. Eo imason’Andriamanitra anefa dia ny fahatsapantsika fa mpanota isika ka mila fibebahana no zava-dehibe ary ankasitrahany. Tsy hoe tsy ilaina ny mivavaka fa na mivavaka aza isika dia misy fihetsika maneho fanetren-tena takiana amintsika. Mariky ny fiavonavonana manko ny fanambonian-tena sy ny fandokafan-tena toy ny nataon’ilay Farisianina eto. Izy ireo rahateo moa dia malaza amin’ny toetra mahay mihatsaravelatsihy.

Anisan’ny mitana anjara toerana iray lehibe amin’ny fampianaran’i Masindahy Paoly ho an’ny taratasiny ho an’ny Romana ny mahakasika io toetra manamarin-tena io. Ny olona tsy afaka manamarina ny tenany samirery fa mandray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana. Ilay Farisianina dia mihevitra fa ny fanarahany ny Lalàna amin’ny asan’ny tenany no ahazoany famonjena. Tsy ratsy akory ireo ezaka rehetra notanisanisainy ireo. Izany aza no takiana amintsika mba hataontsika saingy ny nahavoa azy dia narahiny avonavona izany ka ny olona akaiky azy aza dia mbola nambaniany sy naetriny nefa Andriamanitra no resahany. Toetra anisan’ny tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany. Fanarahan-dalàna tsy miteraka fitiavana anefa ny azy. Mandiniha tena sy mitandrema isika fandrao tratran’ny lalivain’ny Farisianina amin’ny karazan-toetra toy izany. Etsy an-daniny ilay Poblikana dia mahatsapa fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny zavatra ataony ka mandon-tratra izy fa mpanota. Tokony hahatsapa ny fahalementsika avy isika rehetra ka hiezaka handon-tratra eo anatrehan’ireny tsy fahombiazantsika rehetra ireny, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny karemy izao. Mitodika mandrakariva any amin’ny mpanota Andriamanitra satria manankarena famindram-po izy ary izany no sitrany mandrakariva. Na inona na inona habe na endriky ny fahotantsika, araka ny hilazan’i Masindahy Paoly azy hoe na mena tahaka ny akanjo jaky aza ny fahotantsika dia diovin’Andriamanitra amin’ny indrafony rehefa mangataka izany amim-panetren-tena isika. Amin’izay isika no hamarinin’Andriamanitra amin’ny vavaka ataontsika.

Jesoa Tompo ô! Ankoatra ny fampianarana ireo mpianatrao hivavaka dia mbola atoronao koa ny toe-po amam-panahy mahay manetry tena koa ampio izahay hanana ireo toetra mahay manetry tena indrindra rehefa mitady sy mangataka ny indrafo noho ny fahotanay sy ny fahalemenay. Mamindra fo aminay Ianao ry Tompo. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...