24 marsa 2024 — Alahady Sampankazo — Fahatsiarovana ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 14, 1 — 15, 47)

Ny alahadin'ny Sampankazo no mapiditra antsika amin’ny Herinandro masina. Izay hibanjinantsika ny lalam-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Zanany. Antony roa lehibe no anaovana io fankalazana io. Voalohany ny fahatsiarovana ny nidiran’i Kristy tao Jerosalema, ny fihobiana nataon’ny olona sy ny nidirany tao an-tempoly. Faharoa ny fandinihana ny fijaliana hita ao amin’ny Evanjely. Maneo amintsika ny litorjia androany: ny fihobiana niafara tamin’ny famonoana.

Tamin’ny fidirany tao Jerosalema dia nisy vahoaka be nihoby an’i Jesoa. Ireo vahoaka ireo dia maneo ny tenantsika mirohotra makeo amin’i Jesoa satria voasinton’ny hatsarany amin’ny teniny sy ny asany ka mahita hafaliana amin’izany. “Hosana ho an’ny zanak’i Davida”, kanefa ireo ihany no miantso mafy nanandram-peo hoe “fantsiho amin’ny hazofijaliana Izy”, mangataka Azy ho vonoina, maneso, mandrora, manompa… Fihetsika feno fankahalana tanteraka. Entina hanambarana amintsika fa mora ny miaraka amin’i Jesoa rehefa afaka mamaly ny filantsika izy, manasitrana, manome fahombiazana, miaro… Mirehareha ny Aminy isika rehefa mizotra araka izay sitrapontsika ny fiainana.
Hatraizay ny fahafahantsika mitazona io afom-pinoana amin’ny fanarahan-dia amin’i Jesoa io ? Ireo apôstôly rehefa nofidin’i Jesoa dia niriany mba hitoetra hiaraka aminy, sy hiaraka Aminy na amin’ny mora na amin’ny sarotra, hatrany Kalvery. Kanefa raha nihaino tsara ny Evanjely isika dia nabaribarin’i Masindahy Marka fa nandao Azy ny mpianany rehefa tena teo amin’ny fijaliana Izy. Tao aorian’ny fandavan’i Piera, izay nametrahany fitokisana manokana: “Ianao no Piera vato” (Mt 16, 18), dia nahatsiaro tena ho irery i Jesoa. Tsy misy fitantarana ao amin’ny Evanjelin’i Marka hoe mba nisy mpianatra niara-dalana taminy nitondra ny hazojaliana na nifanotrona taminy tamin’izany. Ilay ninoany ho Andriamanitra, nampianatra sy nanao fahagagana teo imason’izy ireo no tsy mahatohitra ny herin’olombelona manao izay tiany atao Aminy. Niteraka fahakiviana ho azy ireo satria tsy araky ny nandrasany sy nantenainy ny zavatra nitranga. Nihevitra izy ireo fa ny fiakarana ho any Jerosalama dia i Kristy haka fanjakana araka ny nofo, ka izy ireo no ho mpiara-miasa Aminy. Tsy ampy fahalala an’i Jesoa izy ireo ka mora kivy. Niady irery i Jesoa, tsy nisy nianteherana satria ireo olona nifankahazo am-po taminy dia nandaho Azy noho ny tahotra sy ny tsy fananan’izy ireo finoana.

Matetika isika rehefa miatrika zavatra sarotra izay ilana finoana amin’ny fijorona ho vavolombelon’i Kristy, dia mihemotra noho ny tahotra satria mety hiteraka voka-dratsy amin’ny tenantsika izany na mety haningotra ny aina mihitsy aza. Reseo ny tahotra fa ny tena mpianatr’i Kristy dia ireo sahy miarka aminy mankany amin’ny fahafatesana, misedra ny sarotra, mahafoy ny aina toa Azy. Ialao ihany koa ny hakivina fa ny fiainam-pinoana dia tsy hoe akory isika afaka mahazo izay ilaina na tadiavina Aminy, fa isika tsy misaraka aminy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.

Manarka izany, teo amin’ny tantaram-piainan’ i Jesoa dia hoe: olona fantam-bahoaka ary nakantoavina nefa avy eo nolavina sy nakahalaina. Napetraky ny olona hoy toy ny Irak’Andriamanitra Izy nefa avy eo nofatsihina tamin’ny Hazofijaliana araka ny lalanà. Izany hoe nohevirina hoy toy olona voahozona. Izany rehetra izany dia mapiditra antsika hatrany amin’ny halalin’ny misterim-piainany ka manosika antsika hametraka fanontanina hoe: Iza i Kristy? Araka ny Evanjely izay mitantara ny Fijaliany dia maneho fa mpanjaka Izy. Maro ny teny manaporofo izany henotsika teo: ny fanontanizn’i Pilaty voalohany dia hoe “mpanjaka ve Ianao?” Hoy koa izy tamin’ny vahoka: “Tianareo ve raha alefako ny mpanjakan’ny Jody?” Hoy ny miaramila, “arahaba ry mpanjakan’ny Jody”. Ary rehefa nofantsihina tamin’ny Hazofijaliana Izy dia nasina soratra teo hoe: “mpanjakan’ny Jody”, hany ka ny mpandalo rehetra afaka namaky izany avokoa. Ny mpanora-dalana sy ny lohandohan’ny mpisorona dia naneso Azy hoe: “Ry mpanjankan’ny Jody miala eo amin’ny hazofijaliana”.

Teny maneso, fandrabirabiana, nefa mampiharihary ny tena marina. Fa tsy takatry ny maro satria tsisy finoana tao amin’izy ireo. Eny fa na dia ireo mpianany àry, tsy afaka niaky izany raha tsy tao aorian’ny fitsanganan-ko velona. Mpanjaka i Kristy, nitaingina apondra niditra tao Jerosalema, nanaiky ny fomba famonoana manalabaraka Izy dia ny fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana, midika izany fa Mpanjaka manetry tena Izy ary nanolo-tena. Ny fihobin’ny vahoaka Azy ho mpanjaka tao Jerosalema dia tandindon’ny maha Mpanjakan’izao tontolo izao Azy amin’ny Paka. Ka ny fibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’izao alahady izao dia hibanjinantsika ny fanetren-tenan’Andriamanitra sy ny fanoloran-tenany izay nanomezany antsika ny famonjena. Hibanjinantsika ihany koa ny Hazofijaliana izay andrin’ny finoana. Ary handinihantsika tena amin’ny toetrantsika mora mivadika eo anatrehan’ilay Andriamanitra, ilay tsy mba mivadika.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...