6 aprily 2024 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Ry havana; efa nolazaintsika teto fa averina ihany hoe nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia midika fa zava-boary vaovao sy tontolo vaovao no tokanana amin’ny nandresen’i Jesoa. Olom-baovao, fiainam-baovao, tontolo vaovao. Mamintina ireo fisehoan’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona ny Evanjely anio. Fa misongadina koa anefa ny tsy finoan’ny mpianatra ny filazan’ireo nahita. Izany ny olombelona: mitaky porofo sy antoka sy fanazavana lojika; tsy azo terena atao amboletra rahateo ny finoana, tsy manao an-keriny Andriamanitra fa miteny moramora ao am-po sy manaitra ny konsiany.

Farany; nirahan’i Jesoa hitory ny Evanjely izy ireo. Naveriny amin’ny laoniny ny fitokisany azy ireo na dia efa nivadika taminy aza ireo. Nanankinany ny famonjena an’izao tontolo izao. “Mitoria ny Evanjely amin’ny voary rehetra, hoy i Jesoa”: ny voary rehetra mihitsy fa tsy ny olombelona fotsiny, satria asan’Andriamanitra ny voary rehetra sy izao tontolo izao ka voalahatra ho amin’ny famonjena. Ny fitoriana ny Evanjely amin’ny voary rehetra dia ny fikarakarana azy, ny fanajariana azy fa tsy fandringanana, tsy fanjakazakana, tsy fandripahana. Am-pitokisana tanteraka no iantsoan’i Jesoa antsika ary mbola fitokisana lavitra koa no anirahany antsika sy anankinany amintsika ny famonjena miaraka aminy. Hombany fitahiana anie isika hahaleo hahalasana amin’izany. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...