11 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:

“Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra;
fa izay avy amin’ny tany dia tany,
ka ny ety an-tany ihany no lazainy.
Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;
ary izay efa hitany sy reny no ambarany,
nefa tsy misy mandray ny fanambaràny.
Izay nandray ny fanambaràny
dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra
fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Ny Ray tia ny Zanaka,
ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra.
Izay mino ny Zanaka
no manana ny fiainana mandrakizay,
fa izay tsy mino ny Zanaka
dia tsy hahita ny fiainana
fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...