12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Ankehitriny ry Israely hoy ny didy amam-pitsipika atoroko itandremanareo azy mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana tany nomen’ny Tompo Andriamanitrareo sy ny razanareo anareo. Ambaran’i Jesoa fa ny fanatanterahana izany didy izany sy ny fampianarana azy no maha lehibe ny olona iray any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, tsy afaka ny tsy haniry ho lehibe ny olona saingy tokony haniry ny halebiazana araka an’Andriamanitra fa tsy araka ny olombelona. Ny fahaizana manoro ny làlana makany amin’ny fahasambarana amin’ny fomba fiaianana (fiainana ny didy) no lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra ary amin’ny maha lalana azy dia sarotra kokoa ny mitadidy ny sakeli-dalana madinidinika noho ny mitadidy ny arabe migodana, moramora kokoa ny maita-tena mitady ny halebiazana araky ny olombelona izany no namerenan’i Jesoa ny didy folo tamin’ny mpianany amin’ny fomba hafa amin’ny fampianarany teny amin’ny tendrombohitra mikasika ny fahasambarana, izy no ilay Moizy vaovao miantso antsika hanaraka ny lalàna izay tsy misolo fa manatanteraka ny lalàn’Andriamanitra hatrizay.

Torolàlana mitondra mankamin’ny fahasambarana, raha toa ka tsy mahatsiaro sambatra izany isika dia ireo no torolàlana ahafahana mandinika ny fomba hitsaboana izay antony izay tsy maha sambatra. Tonga hanatanteraka ny lalàna i Jesoa, tonga haneho amintsika ny tena heviny, hanambara amintsika fa fahasambarana no vokatry ny fanatanaterahana izany, nambarany fa ny lalàn’ny fitiavana no mamintina ny lalàna rehetra ka ahafahana miditra amin’ny fahasambarana sy mitahiry azy.

Tsy didy natao hangejana ny didin’Andriamanitra fa didy natao hanafaka, hahavelona sy hitehirizana ny fahasambarana vokatr’izany fahafahana izany, (ahazo tany namapanatenaina ka honina ao). Tsy misy lalàna araka an’Andriamanitra ka tsy hikatsaka ny soa ho an’ny olona, ambaran’i Jesoa fa fahasambarana ny fahantrana ny hanoanana, ny fanenjehana sy izao fahasahiranana rehatra izao raha ny fitiavana no mahatonga antsika hiaritra izany. Mifanohitra amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao izany saingy ho an’izay te ho mpianany dia izany lalan’ny fahasambarana izany no tarigetram-piainana maha sambatra, ny manao soa ho azy no hafaliana lavorary.

Hanafaka antsika amin’ny hadisoan-kevitra rehetra anie ny Kômonio Masina ka hahamendrika antsika hahazo ny zava-tsoa nampanantenain’i Jesoa an’izay mandray ny teniny ka mitandrina azy: ny fianana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...