25 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza omena ny alika ny zava-masina,
ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo,
sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Midira amin’ny vavahady ety,
fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana,
ka maro no mahazo any;
fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana,
ka vitsy no mahita azy.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...