7 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantoana — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ry kristianina havana! Ity Vaovao Mahafaly aroson’ny Eglizy ho sakafom-panahintsika anio ity dia ahitana taratra ary manasongadina ny hasarobidin’ny finoana, ka tokony hananantsika sy hiainantsika. Miezaka mandrakariva ny Eglizy manao izay hahatafita ny finoana any amintsika tsirairay avy mba hanantsika izany betsaka. Na izany aza anefa dia misy ireo nandray fampianarana ka nino, fa eo ihany koa ireo misalasala sy ny mandà tanteraka aza. Ireo izay mino moa dia miezaka tokoa mampita ny Tenin’Andriamanitra ka manaja sy mitandrina ny fahamarinana hatrany; izany hoe iainany ny finoana noraisiny. Ao amin’ity Vaovao Mahafaly ity ary dia ahitantsika lafiny roa lehibe hita taratra tamin’ny fihetsik’ity vehivavy ity, mahakasika izay finoana izay.

Voalohany dia ny fananany finoana lehibe. Na dia Kananeanina aza izy ka nandre ny momba an’i Jesoa dia nino Azy ho Mpamonjy, ka afaka manampy azy hamaha ny fahoriany. Porofon’izany ny fomba fiangaviany an’i Jesoa: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”. Nino sy natoky izy fa i Jesoa dia afaka hanasitrana ny zanany, hanafaka azy amin’ny fangejan’ny fanahy ratsy. Olona manam-pinoana izy ka naharitra nangataka tamin’i Jesoa sy nitalaho taminy ny fahasoavana ilainy na dia teo aza ireo sakantsakana sy teny mahery navaly azy, izay azo lazaina ihany koa anefa fa toy ny fomba entin’i Jesoa handalinan-dravehivavy tsara ny finoany; ary entin’i Jesoa anambarana amin-dravehivavy ny hasarobidin’ny fahasoavana izay tsy raisidraisim-poana: “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa” hoy Izy.

Fa etsy an-danin’izay koa lafiny faharoa dia teo ny faharetan’ity vehivavy Kananeanina ity tamin’izay finoana nananany izay ka tsy nahakivy azy velively ny fanakanan’ireo mpianatr’i Jesoa azy sy ny tenin’i Jesoa taminy fa vao mainka aza nanehoany tenim-pahendrena sy fahatokisana tanteraka. Toy izany ihany koa no antenain’i Jesoa amintsika kristianina. Izay manam-pinoana dia tokony hanam-paharetana amin’izany ka hahazo izay katsahiny eo amin’ny fiainana satria mandre ny tarainan’ireo matoky azy Andriamanitra: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”. Aiza ho aiza amin’ny finoan’ity vehivavy Kananeanina ity àry ny finoantsika, ary mba miezaka ve isika handalina izany?

Hitantsika ato amin’ny Vaovao Mahafaly àry fa izay mangataka amim-pinoana sy amim-paharetana amin’i Jesoa tsy mba ho voatosibohotanana na oviana na oviana. Zavatra hita taratra manko indraindray iainantsika any amin’ny Fiangonana na Faritra na APV na fikambanana maro isan-karazany misy antsika any, fa teny mandratra kely na fihestika tsy tandrina hitantsika eny amin’ny hafa na mpitarika na kristianina mitovy amintsika aza dia manova ny finoantsika. Indraindray dia miala tsy ho mpivavaka mihitsy ny sasany na mivadi-pinoana. Mampalahelo izany! Ataovy fitaratra ity vehivavy Kananeanina ity: tsy kivy na inona na inona zava-misy satria famonjena no tadiavina. Tsy misy zavatra azo mora satria valala aza tsy azo raha tsy handrian’ilika ka mainka moa fa famonjena.

Jesoa Tompo ô! Ampitomboy mandrakariva ny finoanay sy ny fahatokisanay Anao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...