3 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)

Ry havana; ao amin’ny sinagoga andro sabata i Jesoa mitory teny sy mampianatra. Fianarana ho antsika momba ny fankamasinana ny andro alahady any am-piangonana. Tsy azo atao ny manamarin-tena amin’ny zavatra diso hoe tsy anya m-piangonana ihany no mivavaka. Any am-piangonana rehefa alahady satria i Jesoa mihitsy io no modely ary sitrak’Andriamanitra kokoa ny Eglizy miara-mivavaka.

Manaraka izany, mandroaka demony maloto i Jesoa. Entina ilazana fa ratsy indrindra ilay teny hoe demony maloto. Manarakaraka ny toriteny nisantaran’i Jesoa ny asany dia ny fandroahana demony no ataony: mandresy ny hery rehetra i Jesoa, resy ny fahavalo sy mpanohitra ny famonjena, rava ny fanjakan’i satana fa mijoro manomboka eo kosa ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany hevitry ny fandroahana demony ataon’i Jesoa. Ho an’ny Eglizy ankehitriny dia ny Eveka sy izay Pretra omeny fahefana manokana no mandroaka demony. Ministera manokana tsy azo sandohana io ary saro-pady ka mila fahamalinana. Ny sakramenta konfesy matetika no fandroahana demony tsy maintsy ataontsika satria mitohy ny ady atao amin’ny demony sy ny fakam-panahy.

Notanisain’ny demony ny anarana sy toetran’i Jesoa, toy ny hoe Jesoa avy any Nazareta, Ilay Masin’Andriamanitra. Fiheveran-tena ho amboniny ny fanononana olona amin’ny anarany; ary izany no ataon’ny demony eto… Fa ho antsika kosa Jesoa Kristy dia anaram-pamonjena, anarana ambonin’ny anarana rehetra, anarana akan’izany mino rehetra anarana, ary anarana hiankohofan’ny lohalika rehetra indray andro any. Misy ilay vavaka Litanian’ny Anarana masin’i Jesoa iny azo atao tsara fa sady fandalinam-pinoana no vavaka maharesy fahotana; dia ho tonga anie ny Fanjakan’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...