18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’ity taranaka ity, ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:
‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’
Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’
Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...