6 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 2-16)

“Tamin’ny voalohany dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra... noho izany izay nakamban’Andriamanitra aoka tsy ho sarahin’olona”. Fampitodihana any amin’ny fandaharan’Andriamanitra hatrany am-boalohany no valiteny nataon'i Kristy an’ity Farizianina, voalaza fa naka fanahy Azy. Fandaharana, momba ny nahariana antsika olombelona sy ny fomba iainana izany, izany hoe: ny hevitr’Andriamanitra sy ny tanjona kendreny momba ny fanambadiana. Andriamanitra no nanao ny fanambadiana, ary Izy irery ihany koa no manana fahefana amin’izany. Na iza na iza dia voadidy hankatò io lahatr’Andriamanitra io. Voajanahary ao amintsika olombelona ny maniry ny tsara, ny hetaheta ny ho sambatra. Ary ny fandaharan’Andriamanitra sy izay nataony dia mitondra antsika ho amin’izany.

Ny hahasambatra antsika olombelona noho izany no kendren’Andriamanitra amin’ny fanambadiana. Fahasambarana ao anatin’ny fitiavana maharitra sy tsy mivadika, ao anatin’ny fifanajana ary fandraisan’ny tsirairay andrakitra.

Ampatsiahivin'i Kristy koa fa tao anatin’ny fahafahana tanteraka no naharian’Andriamanitra ny olombelona, fahafahana misafidy, fa fahafahana ihany koa hanaraka na tsia izay nahalahatr’Andriamanitra. Io fahafahana ao amintsika io no mitondra antsika indraindray tsy hahatsapa, na manao mody tsy mahita, na tsy te ankatoavina ny fandaharan’Andriamanitra, ary ny tena ratsy indrindra dia isika mihitsy no maka ny toeran’Andriamanitra mba hanamarinan-tena. Henontsika ny nataon’ilay Farizianina: nampahatsiahy an'i Jesoa izay nataon'i Moizy manoloana ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Kanefa dia mbola mifototra amintsika olombelona ihany izany. Noho ny hamafin’ny fonareo, noho ny didoha sy ny tsy fihainoana sy fankatoavana an’Andriamanitra, ny tsy fihainoana ny feon’ny fieritreretana na mety ho fahafatesany mihitsy aza, izay miteraka fanalana an’Andriamanitra amin’ny toerany ka itadiavana ny marimaritra iraisana mba hiarovan-tena.

Izay ankatoavin’ny maro na apetraky ny lehibe anefa tsy voatery ho araka an’Andriamanitra avokoa. Ka isika mijoro amin’ny marina sy miseho ho tena kristianina indrindra dia mila mandeha sy miaina araka ny feon’ny fieritreretana. Manaiky ary tsy mivadika amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Fa ao ambadik’izany ny tena fitiavana, fototra iorenan’ny fiainana, manamafy ny fiombonana ary hahazoana herim-po haharitra hatramin’ny farany.

Ny Sakramentan’ny mariazy dia tsy inona fa fahasoavana sy fanoloran-tena ankahalalahana, manasitrana ny fetra sy ny tsy fahafahantsika olombelona mitia araka an’Andriamanitra. Ary ny tsy faharavan’ny fanambadiana no tena voady masina sy lalina indrindra iainana ny tena fitiavana.

Meteza ho mpankatò sy mpanaraka izay nalahatr’Andriamanitra, fa izay tsy araka Azy dia fahotana. Ary aoka ny fitiavana asehontsika ho tena fitiavana marina, satria izay ataontsika dia hitarafana ny fitiavan'i Kristy, mitia tsy manavaka ary tsy misy fetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...