8 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Samy maneho ny maha zava-dehibe sy ny toerana ananan'i Kristy eo amin’ny fiainany, araka ny toe-javatra misy, ireto vehivavy roa ireto. Na teo amin’ny asa sahanina andavanandro handraisana an’i Jesoa izany, na tamin’ny fotoana sarobidy natokana hiresahana Aminy. Tsy zovina amintsika Malagasy ireo fomba roa nataon'i Marthe sy I Marie ireo, fa azo lazaina hoe fomba amam-panaontsika isaky ny mandray vahiny isika.

I Jesoa Andriamanitra no tonga mamangy, ary tsapany ny fikarakarana sy ny fanomezan-danja ny maha izy azy, ataon’izy mirahavavay ireto. Saingy inona kosa no antony nitenenany an'i Marthe hoe: “I Marie no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy”. Ny fiheveran'i Marthe mantsy dia hoe ny zava-dehibe dia tsy izay nataon’Andriamanitra ho azy fa izay ataony ho an’Andriamanitra, fa ambadik’izany ny fandraisana an'i Jesoa toy ny Lehibe, mitaky zavatra maro fotsiny ihany.Toy ny mpampiasa mitsidika mpiasa, ka miteraka fanahiana sy tebiteby. Hany ka ny asa fanompoana no nataony vain-dohadraharana.

Fa ny an'i Marie kosa maneho fa tsinontsinona izy raha tsy Andriamanitra. Zava-poana ny ezaka sy ny fisasarany rehetra raha tsy eo i Kristy. Ary Izy indrindra no indro eo anivony, tonga mamangy azy, ka ny hany sisa tokony atao dia ny mibanjina Azy, mihaino Azy ary manovo ireo raki-tsoa lehibe ao Aminy. Io fomba nataon'i Marie io no iantsoan'i Kristy antsika ankehitriny, mba hitoerantsika ao Aminy mandrakariva.

Fa lesona ho antsika indrindra dia ny hoe: “Tsy vokatry ny asa fotsiny ihany ny fahamasinana katsahintsika isan’andro fa fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra izany, ka mila hinoana, raisina, banjinina. Mandom-baravarana antsika isan’andro Andriamanitra, ka aza avela handalo fotsiny, maniry hitoetra ao am-pontsika Izy, ka omeo toerana. Fa izany ilay anjara tsara mila fidintsika isan’andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...