12 ôktôbra 2024 — Jean Beyzym, Olontsambatra — Ny aretintsika no nentin’i Kristy ary ny fahoriantsika no nivesarany Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 40-45)

Ratsy indrindra amin’izay mety ho aretina ny habokana, tsy ahafahana mifandray amin’ireo mpiara-belona. Ary voarara izay tratry io aretina io hanalavitra ny hafa. Lev 13, fa anisan’ny sakana tsy ahafahana manatona an’Andriamanitra koa, satria izay boka dia heverina fa maloto eo anatehan’Andriamanitra, satria tamin’izany fotoana izany, ny toetry ny hoditry dia lazaina fa taratry ny ao anaty, izany hoe: “itsarana ny toetry ny fanahy, vokatry ny fahotana”.

Ity boka, rentsika teo ity anefa dia sahy nanatona an'i Jesoa, sahy nandika izay voalazan’ny lalana. Antony, ny fandrenesany an'i Jesoa nandroaka demony, nanao fahagagana maro, fa indrindra ny finoany Azy ho afaka hanasitrana azy amin’ny habokana. Ka tsy nisalasala niteny taminy hoe: “Raha mety Ianao dia mahay madio ahy”. I Jesoa tetsy andaniny nangoraka azy, ary nanaiky hanasitrana ny aretiny sy naniraka azy ho eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fivavahana. Izany hoe: nanala ireo endrika sakana tsy nahafahan’ity boka ity niaina ankaalahana, toy ny olona rehetra.

Raha fahotana ny habokana, mampiolonolona sy mampanalavitra anao amin’Andriamanitra, manatona an'i Jesoa, maneke ho sitraniny. Tsarovy fa tsy afaka ny tsy hifandray amin’ny mpiara-belona isika ary mila ny fanampin’Andriamanitra. Raha sedra ireo boka, ireo voafatotry ny haratsiana, menatra tsy sahy mifanatrika amin’ny mpiara-belona… meteza ho mpanafaka azy ireny toa an’i Jesoa, hahitany ny fitiavan’Andriamanitra azy ireny, amin’ny fitiavantsika azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...