4 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Ry mpihaino hajaina, henontsika tamin’ny Evanjely teo i Jesoa izay nasain’ny loholon’ny Farisianina. I Jesoa mifampikasoka hatrany amin’ireo olona izay tsy mitovy fihevitra aminy loatra. Ao an-tranon’olona i Jesoa no voaasa, tsy tompon-trano fa tsy misalasala Izy ny mampahafantatra ny tokony hatao ho endriky ny fiaraha-monina vaovao teo amin’ny Jody. Sarotra amintsika matetika ny miteny, ny manitsy, ny manome soso-kevitra tokony hizorana eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy sanatria akory i Jesoa hoe tsy mahalala fomba fa tsy misalasala Izy manitsy avy hatrany rahefa misy toe-tsaina raiki-tapisaka tsy maintsy ovaina. Te handrava ny toe-tsain’ny Jody momba ny fifandraisan’ny fiaraha-monina tamin’izany Izy dia ny hoe: tsy afaka mifampiantrano ny tsy mitovy saranga, ny tsy mitovy fiaviana, ny Jody sy ny Jentily, ny voafora sy ny tsy voafora.

Te hamboly fiaraha-monina vaovao i Jesoa izay anjakan’ny fitiavana maimaim-poana ka hoy Izy, raha manao fanasana ianareo dia ireo olona tsy hahavaly ny fanasana no asao. Ary ho sambatra ianao satria tsy mba manan-kavaly anao ireo fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao. I Jesoa eto dia mampianatra fa tsiamilonjafy ny fiangonana vaovao, natao ho an’ny olona rehetra, na ny kilemaina, na ny jamba, na ny mandringa, na ny mahantra, fa indrindra ho an’ny mpanota, miseho amin’ny tsy fahalavorariana. Mampianatra antsika koa i Jesoa ankehitriny hoe tsy raharaham-barotra ny tena fiainana kristianina, na atero ka alao, ka izay mahavaly ihany no asaina amin’ny fanasana. Asehon’i Jesoa noho izany fa ireo mihitsy no nahatongavany, handavorary an’izy ireo, ny jamba hahiratra, ny mandringa hamindra, ny mahantra hanan-karena. Tiany hanana izany toe-tsaina izany isika raha tiantsika ny ho voavonjy. Tsy hanilikilika ny mpanota fa vonona ny hamonjy azy, vonona ny hampiantrano azy.

Modely ho antsika i Jesoa ka nanolotra ny ainy ho fanehoana ny tena fitiavana maimaim-poana amin’ny famonjena antsika olombelona rehetra. Ka izay maka tahaka Azy dia manomana ilay fahasambarana mandrakizay. Izy Andriamanitra no hanome ny valin-kasasarantsika tsirairay avy any amin’ny fitsanganan-ko velona. Ny soa atao levenam-bola hoy isika, ka aza miandry na manantena valin-tanana vao hanao soa.

Ry Ray ô, misaotra anao izahay tamin’ny nomezanao an’i Jesoa zanakao, nampianatra anay ho tia ny olona rehetra sy hanao soa tsy hiandry valiny. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...