7 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-10)

Ry mpihaino hajaina, ity Vaovao Mahafaly izay nohenontsika teo ity dia diso fantantsika loatra. Atolotry ny Fiangonana izy ity ny sabotsy herinandro faharoa amin’ny fotoanan’ny karemy. Atolotra antsika koa ho sakafom-panahy rahefa amin’ny fotoanan’ny fankalazana miaraka ny sakrametan’ny fampihavanana. Soratra Masina maneho ny tena fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Tiany ho voavonjy ny olona rehetra, tsy tiany hisy ho very na dia iray aza. “Iza aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra ka hitady ilay very mandra-pahitany azy?” Fanoharana no nataon’i Jesoa fa raha toy izany aza no nataon’ny olombelona manoloana ny fananany vao mainka lehibe lavitra noho izany ny an’Andriamanitra. Tsy tonga hitsara mantsy ny nahatongavan’i Jesoa fa tonga hamonjy, hitady ny nania. Asehon’ny Soratra Masina fa ilay nitady ny nania dia ilay mpiandry ondry tsara. Tsy toy ny mpikarama izay mety mihevitra ny tambiny fotsiny fa tena tompony, noho izany tena fitiavana no manosika Azy hanao ny zavatra rehetra. Sitra-po ny fikarakarana ny fananany, fahafinaretana mihitsy aza.

Isika olombelona dia fananan’Andriamanitra ary nohariany manokana mihoatra noho ireo voaary hafa. Nataony mitovy endrika aminy, manahaka Azy mba tsy ho sarotra ny hitadiavany antsika. Nomeny ny ainy ka tonga sombin’ny ainy, mamy loatra eo anatrehany tena tiany, tsy tiany ho fatifaty foana ka nanirahany ny zanany hikarakara azy. Noho izany tsy menatra niara-nisakafo tamin’ny poblikanina sy ny mpanota i Jesoa satria sombin’ny ainy koa ireo. Tonga hitsabo ny marary Izy izay sakana tsy nahafahan’ny sasany niara-dalana tamin’ny namany. Hoy i Jesoa: “Tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina fa ny mpanota” Mk 2, 17. Misy anefa sokajin’olona izay tsy mety karakaraina fa te hanao dokotera tena, te hahavita tena samirery, tsy mila ny hafa. Fahafatesana matetika ny vokatr’izany. Tsy mahavita tena samirery isika rahefa tojo fahasahiranana ka mila ny hafa mandrakariva raha te ho voavonjy. Mila an’Andriamanitra indrindra, mila an’i Jesoa. Hafaliana manao ahoana ny an’Andriamanitra rahefa mety ho karakarainy isika, rahefa mety hotsaboiny, rahefa mety ho entiny miverina mamonjy ny namana. Izany hoe hafaliana tsy omby tratra ny an’Andriamanitra rahefa mibebaka isika, rahefa mifandray, mihavana Aminy indray.

Ry Ray ô, nasehonao tamin’ny fitadiavana anay ny fitiavanao tsy misy fetra. Mba ataovy mahay mamaly fitia anao izahay amin’ny tsy fitsaranay ny namanay fa mba hanana fandavan-tena koa hamonjy izay tsy ao anaty ny valanao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...