20 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)

Ry havana; manakaiky an’i Jerosalema i Jesoa ka miandry ny fisehoan’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona; efa fantatry ny olona ihany manko fa Izy no Mesia. Tsy Mesia politika sy manetriketrika fiavy kosa anefa Izy. Fanoharana no nataony nampianarany ny momba ny fanjakan’Andriamanitra. Tahaka ny Andriandahy nandeha nivahiny fa mbola hiverina hoy Izy. Toy ny hoe tsy eo izany Andriamanitra. Eo Izy fa matoky antsika ka manankina am-pitokiana asa fanajariana sy fanitarana ny fanjakany. Toy ny hoe tsy eo ny Tompo, kanefa fitokisany antsika izany; tsy zaza kely mila arahi-maso sy tenenina isan’andro fa zanaka tiana sy olon-dehibe itokisana. Ary ho avy ny fanadinana sy ny fitsarana.

Rehefa samy nitatitra ny vokatry ny asany avy ireto mpiasa nanankinana vola ampitomboina dia samy nilaza ny vokatry ny asany avy. Samy hiseho eo anatrehan’ny fitsaran’i Jesoa Kristy isika indray andro any, samy hitondra eo ny vokatry ny asantsika avy. Izay niasa tsara sy namokatra moa dia hahazo voninahitra. Izay tsy namokatra fa kamo na variana tamin’ny zavatra hafa dia hitafy henatra…

Ny lalam-piainana dia izay afafy no jinjaina; mety ho hita eny amin’ny andavanandro eny manko ity voalaza ity hoe izay manana no homena, fa izay tsy manana kosa halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Tsy misy fitondra-mitanila akory izany na manao tany avo avaratra fa samy mijinja izay nafafiny. Alao hery ary e. Ampamokary ny fahasoavana nomena antsika hanitarana ny fanjakan’Andriamanitra. Ry mpanompo tsara sy mahatoky miaraha mifaly amin’ny Tomponao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...