21 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Ry havana; malahelo ny amin’i Jerosalema i Jesoa, ilay tanàna nandà Azy, ilay tanàna nandà ny famonjena natolony. Tanànan’ny fiadanana no dikan’ny hoe Jerosalema kanefa nolaviny ilay Mesia Mpanjakan’ny fiadanana. Ny tena mampalahelo sy mahalatsa-dranomaso an’i Jesoa dia izy ho very satria tsy nandray ny famonjena natolotra azy, tsy nahay nanararaotra ny famangian’Andriamanitra azy. Takona manko ny masony, takon’ny ara-nofo ka tsy nahalala fa io Jesoa eo anivony io no Mesia nandrasany hatry ny ela.

Nohariana ho amin’ny famonjena isika ary eo amintsika isan’andro ny Mpamonjy, fa anjarantsika ny mandray. Tahaka ireo olona rehetra nifanena tamin’i Jesoa: izay nino dia voavonjy fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara sahady. Ny hita ao amin’ny Evanjely sy nambaran’i Jesoa dia ny madinika sy ny tso-po no nahatakatra ny famonjen’Andriamanitra. Satria finoana moa izy ity fa tsy fahaizana; tsy izay mahay no masina; tsy izay midera tena ho zavatra no mendrika fa izay manetry tena sy manokatra ny fony hidiran’ny Tompo.

Mamangy ny vahoakany Andriamaintra (Lk 1, 68. 78; 7, 16), fomba fiteny ilazana fa tsy mahasaraka ny vahoakany, tia azy, te hamonjy azy amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-mitranga rehetra. Io famangian’Andriamanitra io no tsy ninoan’ilay Jerosalema tanàna lehibe ka nanamelohany an’i Jesoa; satria Mesia miezinezina sy manetriketrika no nandrandrainy. Tsotra sy mangina anefa no nahatongavan’i Jesoa ka izay tsotra sy manetry tena koa no nahatakatra Azy sy nandray Azy. Dieny mbola manana fotoana isika dia aza mangataka andro; dieny mbola misy fotoana ivavahana sy ibebahana, araraoty ny fotoana amangian’i Jesoa antsika. Fa izay mandray an’Andriamanitra dia raisin’Andriamanitra; izay mampiantrano an’Andriamanitra dia ampiantranoin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...