23 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

 Foto-pisainana jody ny hoe velona ao amin’ny taranany ny olona iray. Izany no mahatonga ilay fanambadiana tsiloloha mba hamelo-maso izay zoky tsy nanan-taranaka. Izay fomba izay no nanontanian’ny Sadoseanina an’i Jesoa hoe ahoana izany rehefa tonga any an-danitra. Ny tsy fahazoana ny momba ny fiainana any an-koatra moa no anton’ny fanontaniana ka nazavain’i Jesoa hoe velona mandrakizay ao amin’Andriamanitra ny mpino ka tsy mila na iza na iza hamelo-maso azy. Ny fiainana eto an-tany no mila an’izany satria tsy maharitra, toy ny very na voaozona aza izay tsy manan-taranaka satria tapitra hatreo ny momba azy. Velona mandrakizay kosa ny mpino satria zanaky ny fitsanganan-ko velona, ary Andriamanitra mandrakizay no antoka dia Andriamanitry ny velona.

Ekena fa somambisamby ny fahalalantsika momba ny fitsanganan-ko velona sy ny fiainana mandrakizay, fa soritan’i Jesoa kosa fa tsy misy lahy sy vavy intsony, tsy mila fanambadiana fa tahaka ny anjely, tsy mety maty intsony, vatana am-panahy ka tsy mila afa-tsy Andriamanitra sisa, ary velona mandrakizay ka tsy mila mpandimby. Ireo Razambe amin’ny finoana sy Patriarka moa no ohatra velona amin’izany, izy ireo izay efa maty kanefa tsy nanana ahiahy momba izany.

Maro sady mahery vaika ankehitriny ny rivotra mitsoka manozongozona ny fitsanganan-ko velona sy ny fiainana any an-koatra. Soa fa eo i Jesoa efa nandresy, efa nitsangan-ko velona sady efa mampandresy antsika miaraka Aminy. Tano ny finoana ; aza manaiky avily hiala amin’izao fiainatsika izao fa marina Andriamanitra nampanantena fiainana ho an’izay rehetra matoky mino azy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...