30 nôvambra 2024 — Masindahy André, Apôstôly — Fety— Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 4, 18-22)

Tsotra ny zava-niseho, nandeha teny amoron-dranomasina i Jesoa, nahita olona mirahalahy izy, niantso azy ireo ho avy hanaraka azy. Ary antso ho amin’ny iraka. Naneho fahavononana ihany koa ny valintenin’izy ireo: “nandao ny zavatra rehetra nanaraka Azy.”

Ny antson’i Jesoa dia mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika raha tena mihaino ilay antso isika. Indraidary mantsy mety hanaiky am-bava fotsiny fa handà ao am-po ka mety tsy hisy vokany eo amin’ny fiainatsika ny antsony. Raha te hihaona amin'i Jesoa ianao dia tsy maintsy mihaino ny teniny sy mihaino azy amin'ny fo misokatra. Fo misokatra izay mamela toerana ho an'ny fiovana mety amin'ny fiainana, fitondran-tena. Fa raha zava-dehibe ny fihainoana, dia zava-dehibe mitovy amin’izany koa ny mianatra mamantatra ireo famantarana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ary rehefa mahafantatra izany, dia manaiky izany ho toy izany. Rehefa niantso azy ireo tamin’ny fomba fanaratoana hafa i Jesoa, dia tsy miady hevitra, tsy manjohy hevitra, fa manaraka fotsiny.

Tsy misy olona masina ka mendrika ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy misy olona masina ka ara-dalàna raha miantso azy ho amin’ny iraka ny Tompo. Mpanota ny olona tsirairay ary tsy misy mendrika ny ho voaantso ho amin’ny iraka irery. Tonga ny Tompo hitady ny mahantra, ny mpanota, miaraka amin’izy ireo no tiany hanohinana ny fo rehetra…

Ao amintsika mino ny fitiavany sy ny famindram-pony tsy manam-petra no tiany hanohinana ny fon’ny rehetra... kanefa moa ve isika vonona ny hihaino azy? Vonona ve isika hanaiky ny antso apetrany lalina ao am-pontsika, eo amin’ny fiainantsika? Ary ho an’ny sasany, moa ve isika vonona ny hanaraka Azy amin’ny fanolorana tanteraka ny fiainantsika ho an’ny fitiavana Azy sy ny famonjena ny fanahy? Aoka hazava fa ny fiantsoan’i Jesoa dia tsy voatery ho pretra, ny antson’i Jesoa dia fandavoriana ny fiainantsika, ny fiainam-pahamasinana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 febroary 2025

• Nankalazaina omaly 2 febroary ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiainana Voatokana. Anisan'ny nanamarika izany ny relijiozy rehetra teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, natao teny Mandrimena Iavoloha... • Nankalazaina tamin'ny zoma 31 janoary 2025 ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, mpanorina ny Fikambanana Saleziana. Nitarika ny Eokaristia Masina tamin'izany ny Arsevekan'Antananarivo... • Mila ny fahazavan'i Kristy ny tontolo ankehitriny, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...