5 desambra 2024 — Alakamisy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo!
no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Koa amin’izany,
na zovy na zovy mandre izao teniko izao
ka mitandrina azy,
dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry
izay nanorina ny tranony
teo ambonin’ny vatolampy;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
nefa tsy nianjera izy,
fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.

Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao,
ka tsy mitandrina azy,
dia hanahaka ny lehilahy adala
nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
dia nianjera izy
ka loza ny faharavany.”

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...