11 desambra 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Maro samihafa no heverintsika hanamaivana ny fijaliana sy ny fahoriana mitambesatra amintsika: zava-mahadomelina matetika, fandehanana mirenireny tsy misy anton-dia velively, fitantarana atsy sy aroa ny zavatra mahazo. Matetika hadinontsika ny manatona an’i Jesoa Kristy ao amin’ny tabernakla na koa mitantara an’ireo aminy.

Fa manasa antsika hanana fomba fijery vaovao ilay didim-pitiavany ihany koa ny Tenin’Andriamanitra anio. Manamaivana ny fahoriana sy ny fijaliana ny fiainana azy io satria vokatry ny fitiavana fa tsy an-kiteritery akory ary manafaka amin’ireo karazam-pamatorana misy, toy ny fitiavan-tena, ny fanaovana ny hafa ho tsinontsinona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...