14 desambra 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 17, 10-13)

Manasa antsika ho vonona ny handray an’i Jesoa Kristy, Mesia sy Mpamonjy ny Vaovao Mahafaly anio. Mandray ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra mantsy isika rehefa mandray Azy, satria Izy sy ny Ray dia iray ihany ary Izy no irany ho famonjena antsika. Very famonjena noho izany isika raha tsy mahay mandray Azy eo amin’ny fiainantsika. Very famonjena, midika ihany koa hoe, very fahasambarana sy fahasoavana. Fomba maro samihafa no andondonany ny varavaran’ny fontsika: amin’ny alalan’ny Teniny, amin’ny alalan’ireo sakramenta (Eokaristia, Fampihavanana), amin’ny alalan’ireo mahantra tsy misy mpiahy. Angataho àry Izy Tompo, hananantsika masom-panahy hahita azy eo amin’ny hafa ary haheno ny feony miantso antsika mandrakariva amin’ny fahasambarana dieny ety an-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...