17 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17

Efa antomotra ny fankalazana ny Noely, fahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra eo anivontsika. Tsy nijanona ho zanak’Andriamanitra fotsiny izy tamin’izany fa tonga zanak’olombelona ihany koa, naka ny fombantsika olombelona afa-tsy ny fahotana, ka niditra tao amin’ny tantarantsika. Zava-dehibe ny firazanana ka atolotra antsika eto ny tetiarany, hanaporofoana fa tena olombelona feno izy, miatomboka amin’i Abrahama raiben’ny mpino. Hafa ihany ny hita fototra. Eo ihany koa ry Davida mpanjaka, ary ny fifindrana tany Babilona ka mazava ho azy fa misy tsy mpino. Tsy azo kosehina mantsy ny tantara. Raha tsorina dia natao ho an’ny olon-drehetra i Kristy fa tsy ho an’ny Jody ihany. Toa drafitra sy lalam-pamonjena efa voaoman’izy Ray ny momba izany, dia ny hahatongavan’ny Zanany ho olombelona. Koa tsy ireo anarana maro be no tokony hahamaika antsika, fa io fidiran’i Jesoa amin’ny tantarantsika olombelona araka ny voalaza teo.

Tsara ho marihina etoana fa tsy siansa io ka roa miampy roa tsy maintsy efatra, fa tantaram-pamonjena ka i Kristy no ivony, Izy no fiandohana sy fiafarana. Fa raha ara-bakinteny fotsiny no andraisantsika izany dia ho tena diso hevitra isika. Azontsika halalinina ireo anarana rehetra ireo fa raha izany no ho lazaina eto tsy ho ampy velively ny fotoana. Misy fampianarana azontsika alaina amin’izany. Tsy tantara fampiseho an-tsehatra izy ity ka saritsariny ihany fa fiainan’Ilay Zanak’Andriamanitra miditra amin’ny antsika olombelona teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona.

Azo lazaina koa fa te hiditra amin’ny tantarantsika izy ankehitriny, amin’izao fankalazana ny Fiaviany, amin’izao taona 2024 diavintsika izao. Ka avelantsika ve sa tsia? Tsy omaly na rahampitso fa izao. Oviana tokoa moa no nanomboka nifaningotra ny tantarantsika sy ny azy? Samy manana ny azy isika. Sa sanatria tsy mbola nisy nidirany mihitsy? Aoka hanana anjara toerana betsaka amin’izany izy fa aza afamadika. Aoka izy hamolavola io tantarantsika io fa tsy sanatria ka atosika any ivelany izy dia tsy hanana anjara aminy isika avy eo, ka ho voa mafy ary ho loza mahatsiravina ny vokany. Aza mahavoa antsika mihitsy anie izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...