22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)

Fotoana fohy tao aorian’ny fiarahaban’ny Anjely Gabriely azy, ho Renin’ny Zanak’Andriamanitra, io zava-nisy tantarain’i Masindahy Lioka tamintsika teo io. I Masina Maria nanaiky hitondra an-kibo ny Zanak’Andriamanitra ary lasa namangy an’i Masimbavy Elizabeth rahavaviny izay nitoe-jaza koa. Zavatra roa no misongadina niainan’i Masina Maria, araka io Evanjely io, voalohany dia fanenkeny an’Andriamanitra, nifidy azy manokana ary ny faharoa ny fandraisany adraikitra nataony, nandeha sy nanatanteraka izay sitrak’Andriamanitra.

Tsy nampipetraka fotsiny an’i Masina Maria ny Tenin’Andriamanitra niantefa taminy fa nanainga azy fatratra handeha, hisedra ireo zava-tsarotra. Rentsika teo ny lalana nodiaviny, lalan-davitra (Nazareta hatrany Jodea, 130 km) fa mbola tany be tendrombohitra koa. Tsy misy afa-tsy ny finoana sy ny asan’ny Fanahy Masina ihany no ahafahana mamakivaky ireo lalan-tsarotra tsy maintsy izorana. I Masina Maria, ilay nambaran’i Masimbavy Elisabeth ho sambatra satria nino, natoky an’Andriamanitra, ka afaka nisedra ireo fitsapana maro. Ny finoana tsy mampikombona amin’ny tena, na hampitoetra fotsiny fa miantso sy maniraka antsika handeha, hivoaka amin’ny tena mba hihaona sy hizara amin’ny hafa. Ny famangian’i Masina Maria ity Rahavaviny, dia tsy inona fizarana ny hafaliana tanteraka tao aminy, ny hafaliana vokatry ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra azy, tsy Reny hiteraka ny Mpamonjy fotsiny, fa Reny hiterahan’Andriamanitra antsika olombelona rehetra ho zanaka malala ao amin’Ilay Zanany tonga nofo tao an-kibony. Lakan-drano mampihaona ny olombelona amin’Andriamanitra i Masina Maria. Henontsika teo fa na i Joany Batista mbola tao an-kibo na i Elisabrth dia samy nientan-kafaliana tamin’ny famangian’i Masina Maria.

Ankatoky ny fankalazana ny Noely isika, andro vitsy mialoha. Mila mianatra an’i Masina Maria mba hiaina ny antson’Andriamanitra miantefa amintsika, fa koa hahaizantsika mizara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ireo anirahany antsika. Hahatsara fiomanana ary dia:

  • Mila manaiky izay sitrak’Andriamanitra amintsika isika, manaiky izay nifidianany antsika. Diniho i Masina Maria nanao ENY teo anatrehan’Andriamanitra, tsy tamin’ny fotoana notorotoronina an’i Jesoa ihany fa hatreny am-pototry ny hazofijaliana. Tsy hanao tsobo-dranondRamiangaly anie isika, fa hiezaka haharitra sy hiaritra, hatramin’ny farany.
  • Mila manaiky koa havaozin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay maniraka antsika koa isika, tsy hanao salobon-komana fa hihaona sy hizara amin’ny hafa, ho sahala amin’i Masina Maria ho mpitondra an’Andriamanitra ao amin’ireo mangetaheta Azy.

Enga anie izao fiomanantsika hankalaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy antsika izao, hanavao ny fanantenana sy ny fitokisantsika Azy Andriamanitra. Hampitombo ny herim-po hisedra ireo lalan-tsarotra mitondra antsika any amin’ny famonjena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...