Alahady 19 aprily 2020 — Alahady faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-31 — Nino ianao, ry Tômà satria nahita Ahy ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

0 : 00

Fotoana fankalazana ny Paka isika, mandinika ny Tenin’Andriamanitra mitantara ireo fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona. Anisan’izany ity Evanjely nambara tamintsika teo ity.

Natahotra ny Jody ny mpianatra satria fantatr’izy ireo ny nanamelohana an’i Jesoa ho faty ary noho izy ireo mpiantra dia nihidy aman-trano. Tetsy andanin’izany koa ny fandaozan’izy ireo an’i Jesoa tamin’ny andro nijaliany, ny fandavana nataon-dry Piera, ny famadihana nataon-dry Jodasy ka zary lasa henatra sy tahotra ho azy rehetra. Ao anatin’izany indrindra anefa no niseho tamin’izy ireo i Jesoa, nilaza tamin’izy ireo hoe : "Ho aminareo anie ny fiadanana". Io ilay fiadanana nampanantenainy ny mpianany hatrizay sy mankahery azy ireo tao anatin’ny tahotra sy ny henatra.

Avy eo nasehony azy ireo ny tanany loaky ny fantsika sy ny fony voalefona mba hahafantaran’izy ireo fa Izy nofantsihana tamin’ny hazofijaliany ihany io nitsangan-ko velona manoloana azy ireo io, ary ireo fery tamin’ny tenany dia tsy inona fa mariky ny fitiavany. Maty sy nitsangan-ko velona Izy mba hiarihary ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Ary io finoana ny fitiavana nanentana Azy hiaritra fahafatesana nakamin’ny fitsangan-ko velona io no tiany hinoan’i Thomas, ilazany hoe : "minoa fa aza malain-kino" mba handehanany lavidavitra kokoa, hinoana ireo vavolombelona, toy ny asehontsika ankehitriny, mino ny fanambaran’ireo Apôstôly milaza fa maty sy nitsangan-ko velona noho ny fitiavana antsika i Kristy.

Rahefa avy manpiseho ny marika ahafantarana Azy tamin’ny mpianany Izy dia naniraka azy ireo mba hanohy sy hizara ary hampiseho amin’ny olona rehetra ny iraka noraisiny tamin’ny Ray, dia ny hirehi-pitiavana, hafoy ny aina, hizara ny indrafon’Andriamanitra amin’ny mpanota, ho famonjena ny olona rehetra ary nanome azy ireo ny Fanahy Masina hankahery azy ireo, haharetany amin’iraka sahaniny. Ka sady fahefana ho an’ny mpianatra io no toe-po sy toe-piainana manahaka an’i Kristy Mpampianatra.

Lesona tsoahina ary ianinana amin’ity Evanjely ity : samy miezaka isika hatonga izao vanim-potoana ny Paka izao ho :

  • Fotoana handraisana ny herim-po vaovao sy ny tena fiadanana marina, itokiana ny herin’i Kristy tafatsangan-ko velona, izay manala ny tahotra sy ny ahiahy mpanjo antsika olombelona ;
  • Hahatsapana koa ny fitiavan’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny Zanany, maty sy nitsangan-ko velona, ka hamaly fitiavana Azy amin’ny endri-piainana vaovao asehotsika ;
  • Hiaina sy haneho ny finoana, ijoroana ho iraka sy vavolombelona hizara ny fiadanana vokatry ny Paka ary hahay mamindra fo sy mifamela amin’ireo manodidina antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...