21 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)

Tamin’izany andro izany,
nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely
no hamonjy azy.
Inona ny soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Sa inona no azon’ny olona omena
ho takalon’ny fanahiny?
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko
amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity,
dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona
rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy
otronin’ny Anjely masina.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina aminareo
fa ny sasany aminareo eto
dia tsy hanandra-pahafatesana
raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra
tonga amin’ny voninahitra.”

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...