26 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

Asain’i Jesoa Kristy hanana fisokafan-tsaina ireo mpianany manoloana ireo olon-kafa mino an’i Jesoa ary maka tahaka ny ataony amin’ny fandroahana ny demony. Mitaky fisokafan-tsaina ny fiainana kristianina, izay aseho amin’ny alalan’ny fanekena fa afaka maka tahaka an’i Jesoa ihany koa ny hafa na dia tsy hita soritra mandray anjara mavitrika ao am-piangonana aza izy ireny.

Fa mampahatsiahy antsika toe-tsaina mila ananantsika manara-dia an’i Kristy ihany koa ity Evanjely anio ity. Toe-tsaina mifototra amin’ny fanaovan-tsoa hatrany fa tsy sanatria fanaratsiana akory. Io no ahafantaran’ny hafa antsika. Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin’izany no hita eny fa na samy hafa finoana nefa samy kristianina aza isika fa toa mifanaratsy fa tsy miezaka ny hifanao soa sy hanao soa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...