1 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)

Tian’Andriamanitra hanatona azy ny olombelona rehetra na inona na inona firazanany, na inona inona fomba amam-panao sy toetrany. Toy izany koa ny sokajin-taona rehetra fa anjarantsika izay efa manana andram-piainana amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra kosa no manamora ny fifandraisana amin’Andriamanitra no sady manotrona azy ireny hanatona Azy Tompo.

Tsy mba toy izay anefa no nataon’ireto apostoly fa nosakanany ny ankizy tsy hanatoana an’i Jesoa. Avy amin’ny alalan’io zava-mitranga io ihany koa no nanomezan’i Jesoa lesona azy ireo. Fa afaka alain-tahaka ihany koa ny toetran’ireo ankizy raha te-hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika. Ahitana fahatsorana mantsy ny toetran’ireo ankizy, tsy mitazona alahelo na lolom-po fa mora misinda, toetra matoky tanteraka ny ray aman-dreniny, ary ny faniriany hitombo amin’ny lafiny rehetra fa tsy te ho zaza mandrakariva. Noho izany, sady asain’i Jesoa isika hanamora ny hihaon’ireo zaza madinika amin’Andriamanitra no maka tahaka ireo toetra mahabitika ananany ihany koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...